Polisimpirenena Malagasy : hanavao ny fomba fiasa mba hamaly ny filàn’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana
Anjaran’ny Polisimpirenena Malagasy indray no miatrika fikaonan-doham-pirenena manomboka amin’ity andro androany ity. Nosokafana teny amin’ny Centre des Conférences Internationales (CCI) Ivato izany, natrehin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël.
Fanomanana ny fikaonan-doham-pirenena
Sehatra maro isan’ny manan-danja amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara no mifanesy manatanteraka fikaonan-doham-pirenena, izay misandrahaka amin’ny fikaonan-doham-paritra. Anjaran’ny Polisimpirenena Malagasy indray no manatanteraka izany, izay nosokafana androany 2 martsa 2026 teny amin’ny CCI Ivato.
Ny fikaonan-doha isan-tsehatra tahaka izao dia efa tafiditra ao anatin’ny lalana mizotra mankany amin’ny fikaonan-doham-pirenena, satria izay voadinika tao anatin’ireny « assise par secteur » ireny ihany no ho entina mankany amin’ny fikaonan-doham-pirenena, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kôlônely Michaël Randrianirina, izay nanotrona ity fotoam-panokafana ny fikaonan-doham-pirenen’ny Polisimpirenena Malagasy ity.
Polisimpirenena, tohanan’ireo mpiara-miombona antoka
Izao dinika izao dia natao hakan-kevitra mba hahafahana manatsara ny asan’ny Polisimpirenena Malagasy, ka hahatonga izany ho tena mamaly ny filàn’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana tokoa, eo amin’ny lafiny fampandriana fahalemana. « Ny fanavaozana foana no tanjona. Androany dia ny fanovana ireo tsy mety sy tsy nahafapo ny vahoaka teo anivon’ny polisimpirenena no dinihina », hoy ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana. Tsy hijanona eto Antananarivo fotsiny ny fikaonan-dohan’ny Polisimpirenena fa hiitatra any amin’ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka manerana an’i Madagasikara.
Isan’ny manohana an’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny asan’ireo mpitandro ny filaminam-bahoaka ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany. Nambaran’ny kôlônely Michaël Randrianirina androany, fa misy firenena manampy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fitaovam-piadiana. Momba ny fitaovam-pitateraka kosa, dia notsipihiny fa efa mandinika ny momba izany ny Fitondram-panjakana.
Isan’ny fanontaniana napetraka tamin’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ity andro androany ity, ankoatra izay, ny momba ny fiatrehan’i Madagasikara ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika, vokatry ny ady ifanandrinan’i Etazonia sy Iran. Nambarany fa efa mieritreritra ny fomba itsinjovana mialoha izany ny fitondram-panjakana.




