Fahasalaman’ny ankizy : Miverina indray ny famatsiana vakisiny BCG
Taorian’ny fahalanian’ny tahiry naharitra herinandro maro, tany amin’ny ankamaroan’ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy, dia efa tonga, indray ny vakisiny Bacille Calmette-Guérin (BCG). Efa ao anatin’ny fanaterana sy fizarana izany, indray ny Fitaleavana Misahana ny Fandaharan'asa momba ny Vaksiny eto Madagasikara (DPEV).
Niteraka tahotra ny tsy fisiana tahiry
Vakisiny natao hiarovana ny zaza amin’ny aretina raboka, izay mety hiteraka fahafatesana ny BCG. Ny tsy fisiany anefa dia miteraka tebiteby sy tahotra amin’ny Ray aman-dReny. Tobim-pahasalamana maro teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra no nanamafy fa tsy nisy intsony ny vaksiny BCG tao amin’ny tahiriny, nandritra izay fotoana izay. Ray aman-dreny maro ihany koa no nilaza fa nitety hopitaly sy CSB maromaro nefa tsy nahita vaksiny ho an’ny zanany vao teraka.
Saika miverimberina hatrany moa izany toe-javatra izany, raha tsy ho tsiahivina fotsiny ny tamin’ny taona 2023. Raha ny fanazavana dia saika ny fahasarotan’ny dingana ara-pitantanana amin’ny famoahana vola hividianana ilay vaksiny, izay miankina tanteraka amin’ny tetibolam-panjakana, no mahatonga ny fahalaniana.
Nafainganina ny dingana noho ny hamehana
Noho izay hamehana ara-pahasalamana izay dia nanamafy ny tompon’andraikitra fa nohafainganana manokana tamin’ity taona ity ny famoahana ny vola ilaina, ka efa tamin’ny volana janoary no nanombohana izany, tsy toy ny teo aloha izay niandrasana hatramin’ny volana avrily. Araka ny vinavina, dia tokony efa tonga teto Madagasikara ny vaksiny ny 24 febroary teo, ary izao tanteraka ankehitriny, izao.
Miandry ny fahatongavan’ny vaksiny any amin’ny tobim-pahasalamana rehetra sisa dia afaka hiverina hisitraka izany indray ny zazakely. Mampahatsiahy ny mpitsabo fa mbola azo atao tsara ny fanaovana vaksiny BCG hatramin’ny faha-11 volana ny zaza. Manentana ihany koa anefa izy ireo ny mba hampihena ny fifandraisan’ny zaza madinika amin’ny olona marary, satria mbola avo ny trangan’aretina tiberkilaozy eto Madagasikara, ary mety hiteraka fahasarotana lehibe kokoa amin’ny zaza kely.




