• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Efa amperin’asa ny baka faharoa hiampitana eo amin’ny reniranon’Ifasy

26/02/2026 14:20 © Moov

Nampiana iray ny baka entina miampita eo amin’ny reniranon’Ifasy. Efa amperin’asa nanomboka omaly, 25 febroary, izy io ary hahazaka latsaky ny 25 taonina, isaky ny dia.

Vahaolana vonjimaika

Ny rivodoza Gamane, izay niseho ny taona 2024 no nanimba ny tetezana eo Ifasy io, izay fotodrafitrasa be mpampiasa eny amin’ny lalam-pirenena fahenina. Napetraka teo an-toerana ny « passage à gué », tao anatin’izay fotoana izay. Isan-taona, rehefa miakatra ny rano, dia simba sy tsy azo ampiasaina intsony io "passage à gué" io, ka manapaka tanteraka ny fivezivezen’ny fiara, eo Ifasy, amin'iny RN6 iny.
Noho izany antony izany dia nampidirina ny Baka ho vahaolana vonjimaika, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy Razafindrianarivo Henri Jacob, ahafahana mampita ireo fiara mpitatitra olona sy ireo entana ilain’ny mponina andavanandro. Nampiana iray izany satria nandritra ny fampiasana ny Baka tokana dia hita fa tsy naharaka ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ireo fiara lehibe. Ireo Baka roa ireo dia natao hahazaka fiara latsaky ny 25 taonina, avokoa. Etsy ankilany anefa, amin’izao fotoana izao, nohon' ny fiakaran’ny rano dia tsy afaka ampiasaina handefasana fiara mavesatra ny Baka, hoy ihany ny Minisitra. Etsy andaniny, noho ny tsy fahitana mazava ny fikorian’ny rano, dia amin’ny atoandro ihany koa no hahafahana mampita fiara sy olona, ireo fitaovana ireo.

Vahaolana maharitra sy lavitr’ezaka

Manoloana izany dia nametraka paikady, ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Ao anatin’izany ny vahaolana fohy ezaka, dia ny fanarenana indray ny "passage à gué" rehefa mihena ny rano, mba hahafahana mampandeha fiara mivantana indray, mandritra ny fanorenana ny tetezana.
Napetraka ihany koa ny vahaolana maharitra dia ny fananganana tetezana vaovao eo Ifasy. Nanambara moa ny Minisitra fa efa eo am-panomanana ny antso tolo-bidy hanorenana izany tetezana vaovao izany ny Minisitera. Raha vantany vao vita ny dingana ara-panjakana sy voafantina ny orinasa mpanatanteraka, dia hanomboka ny asa, izay vinavinaina haharitra roa taona aorian’ny fanolorana ofisialy ny tetikasa. Tsara ny manamarika fa mila izany fanamboarana izany, ihany koa, ny eo amin’ny tetezan’i Mahavavy.

Lire la suite

Articles Similaires