• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Croc Anôsy
Image
Vaovao

Distrika Betroka : Olona miisa 13 539 nisitraka rano fisotro madio sy fanondrahana fambolena

25/02/2026 11:32 © Moov

Tamin-kafaliana no nandraisan’ireo mponina miisa 13 539, tao amin’ny Distrika Betroka ireo fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio. Fotodrafitrasa marolafy moa izy ireo izay sady hahafahana manondraka anana sy legioma ihany koa.

Kaominina miisa 5, fokontany 13

Olona monina ao amin’ny Kaominina miisa 5 ireo mpisitraka ireo. Ao anatin’izany ny Kaominina Ianabinda, Ambatomivary, Ambalasoa, Naninora ary Jangany. Fokontany miisa 13, ao anatin’izany ireo afaka misitraka azy ireo ary fotodrafitrasa marolafy (Multi-usage système MUS) miisa 13 ireo, natolotra ny mponina ireo. Ankoatra izany, nahazo rano ho an’ny fanondrahana velaran-tany ambolena anana sy legioma ihany koa ny Fikambanam-behivavy amin’ny alàlan’ny rafitra fantsona voakajy tsara, manampy amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy fanamafisana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mamatsy rano fisotro madio ho an’ny mponina, amin’ny vidiny tena mirary moa ireo tambajotra ireo. Ahitana paompy miisa 32 (Système SmarTap). Misy mitondra rano ilaina amin’ny fanondrahana voly legioma sy anana miisa 12 (CUMA), ihany koa.
Marihina fa ny tanjon’izany rehetra izany dia ny hanampy ny isam-pianakaviana hanitatra ny ambaindain’ny vola miditra aminy, no sady manatsara sy miantoka fiahiana ara-tsakafo.

Tetikasa Mionjo

Ny fanatanterahana ireo asa rehetra ireo dia tamin’ny alalan’ny Tetikasa Mionjo, izay tetikasam-panjakana eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny rano, fanadiovana sy fidiovana. Vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ihany koa, ary tanterahin’ny UNICEF. Tanjon’ny rehetra tao anatin’izany dia ny hampihena ny fahasahiranan’ireo mponina any an-toerana. Nandritra ny fandraisana ny fahavitan’ny asa dia nahatsapa fiovana lehibe ny mponina. Mihena ny fahasahiranana amin’ny fakana rano alavitra, ary mora ny fisorohana ireo aretina ateraky ny rano tsy madio avy any an-drenirano. Marihina fa madio ary manaraka fenitra ny rano, izay notsirihina teo ambany fitsirihan’ny ekipa Rejionaly misahana ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny Faritra Anôsy
120 andro ny faharetan’ny asa, izay notanterahin’ny Orinasa (Consortium) telo : STIMCO, BRACE, ary Ny RAVO. Ny Bureau d’Etude BE MITI CONSULTING kosa no nanaramaso. Ny Lehiben’ny Faritra Anôsy, Andriamatoa Randrianarivo Bertrand moa dia nanentana ny rehetra ny amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ireo fotodrafitrasa.

Lire la suite

Articles Similaires