• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Fampisitrahana rano fisotro madio : Hiara-hiasa amin’ny Skoto Zazalahy ny ministeran’ny Rano

23/02/2026 11:12 © Moov.Mg

Iray amin’ireo fienena 3 maneran-tany tsy misitraka rano fisotro madio i Madagasikara, araka ny nambaran’ny fikambanana britanika SEED Madagascar. Mbola mila ezaka, avy amin’ny sehatra samihafa, ny fampisitrahana ny rano, fanadiovana sy fidiovana eto amintsika. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Firaisan’ny Skotisma Eto Madagasikara Manabe Zazalahy sy ny ministera Tomponandraikitra.

Rano madio ho an’ny rehetra

Nanamarika ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny skotisma, ny 22 febroary 2026, ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana niaraka tamin’ny Firaisan’ny Skotisma Eto Madagasikara Manabe Zazalahy, izay notontosaina teny Antaninarenina. Tanjona iraisana ny fifanomezan-tanana amin’ny fanentanana sy fanetsiketsehana ny olom-pirenena rehetra, momba ny fisitrahana rano madio, ka « rano madio ho an’ny rehetra, tontolo madio ary fiainana mendrika ho an’ny Malagasy no atao laharam-pahamehana », araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ny Ivon-toerana nasiônaly misahana ny Antontan'isa (INSTAT), tao anatin’ny tatitra iray tamin’ny taona 2024, dia ny 54,5% an’ny Malagasy ihany no misitraka rano fisotro madio, ary manodidina ny 10% ihany no mahazo tolotra momba ny fanadiovana. Isan’ny lasibatr’izany tsy fahampiana izany ireo ankizy madinika. Ny 88% amin’ny sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny Fanjakana mantsy no tsy manana fotodrafitrasa momba ny rano, fanadiovana sy fidiovana, araka ny antontan’isa nampitain’ny SEED Madagascar.

Fandraisana andraikitra eny ifotony

« Zo fototra ny rano fisotro madio ary andraikitra iombonana ny fanadiovana sy ny fidiovana, izay miantoka ny hoavin’ny taranaka », hoy ny nambaran’ny minisitry ny Rano, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, nandritra ity lanonana fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Skoto Zazalahy ity. Noho izany, tsy ny fanentanana fotsiny no hiarahan’ny roa tonta misalahy, fa hiaraha-manatanteraka ihany koa ny fanamafisana ny fahatsiarovan-tena sy ny fandraisana andraikitra eny ifotony.

Tsara ny mampahatsiahy fa miteraka voka-dratsy maro ny tsy fisitrahana rano fisotro madio, ny fotodrafitrasa fanadiovana sy fidiovana. Isan’ny mampirongatra ny aretim-pivalanana, toy ny kôlera sy ny tazo tefoedra izany, izay antony lehibe faha-efatra mitarika ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires