« Péridurale » : ny tena zava-misy sy ny tsaho mikasik’azy io
Ny « péridurale » dia fomba fanalefahana fanaintainana isan’ny fampiasa indrindra mandritra ny fiterahana. Maro ny vehivavy misafidy azy io noho izy mahomby amin’ny fampihenana ny fanaintainan’ny fiterahana, mbola misy ihany koa nefa ireo fanontaniana sy tsaho miparitaka momba azy. Resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « péridurale ».
Inona ny atao hoe « péridurale » ?
Ny « péridurale » dia teknika fanatoranana amin’ny faritra voafaritra (anesthésie locorégionale). Atao amin’ny alalan’ny fanindronana fanafody manokana eo amin’ilay faritra manodidina ny hazondamosina (eo amin’ny lamosina ambany) izy io.
Apetraka koa ny fantsona madinika (cathéter) mba hahafahana manampy fanafody tsikelikely mandritra ny fotoana iasan’ny tranonjaza hatramin’ny fiterahana.
Ny « anesthésiste » no manatanteraka ny « péridurale » ary efa misy fizahana mialoha atao mandritra ny fitondrana vohoka.
Ireo tombontsoa azo avy amin’ny « péridurale »
Maro ireo tombontsoa azon’ny mpiteraka amin’ny fanaovana « péridurale » :
-Manalefaka ny fanaintainana. Izy io no heverina ho fomba mahomby indrindra amin’ny fampihenana ny fanaintainana ateraky ny fikainkonan’ny tranonjaza (contractions).
-Manampy amin’ny famerenana ny hery. Satria mihena ny fanaintainana dia tsy reraka loatra ny reny ka mbola manana hery amin’ny fotoana hamoahana ny zaza.
-Azo ahitsy araka ny ilaina. Afaka ampitomboina na ahena araka ny toe-javatra ny fatran’ny fanafody.
-Manampy raha misy olana. Raha sanatria ka mila fandidiana (césarienne), dia azo ampitomboina ilay « péridurale » efa napetraka ka tsy voatery hatao fanatoranana ankapobeny (anesthésie générale).
Ny fetra sy mety ho voka-dratsy
Misy ihany koa ireo lafy ratsin’ny fanaovana « péridurale », ka anisan’izany ny hoe :
-Mihena ny « mobilité ». Na dia maivana aza ny fatra dia mety tsy hahavita mandehandeha intsony ny bevohoka rehefa vita ny fanindronana.
-Mety hampidina tosidra. Indraindray dia mety hidina ny tosidra, ka mila arahi-maso akaiky izany.
-Mety haharitra kokoa ny fotoana hiterahana. Misy fikarohana milaza fa mety hahalava kely ny fotoana hamoahana ny zaza ny fanaovana « péridurale ».
Misy ihany koa ireo voka-dratsy mety hitranga, toy ny aretin’andoha (tsy fahita firy), fahasarotana mivalan-drano (vetivety ihany), fahatsapana mavesatra amin’ny tongotra.
Ireo tsaho na hevi-diso mikasika ny « péridurale »
Maro ireo tsaho sy hevi-diso re eny amin’ny fiarahamonina eny. Anisan’ireo heno matitaka ny hoe :
-“Mahatonga fanaintainan-damosina maharitra ny péridurale”
Maro ny reny mahatsiaro marary lamosina aorian’ny fiterahana, na nanao « péridurale » na tsia. Matetika dia vokatry ny fiovan’ny vatana nandritra ny fitondrana vohoka izany.
-“Mampidi-doza ho an’ny zaza”
Kely dia kely ny fatran’ny fanafody ampiasaina, ary voaara-maso hatrany ny reny sy ny zaza.
-“Tsy afaka manosika intsony raha manao péridurale”
Amin’ny fomba ampiasaina ankehitriny dia mbola voatahiry matetika ny fahatsapana ilaina amin’ny fanosehana rehefa mamoaka ny zaza.
-“Raha tara vao mangataka dia tsy azo atao intsony”
Miankina amin’ny fandrosoan’ny fiterahana izany. Raha efa akaiky hivoaka ny zaza dia mety ho tara loatra tokoa.




