• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny famokarana : Nosokafana ny ozinina afaka mamokatra zezika 30 taonina isan’andro

17/02/2026 08:01 © Moov

Notokanana, omaly, alatsinainy 16 febroary ny ozinina, famokarana zezika organika, tao Belalanda, Toliara. Tany an-toerana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ireo mpamatsy vola, nanokatra izany, tamin’ny fomba ofisialy.

Hamokatra zezika 30 taonina isan’andro

Tanjon’i Madagasikara, hatramin’izay, ary mbola mitohy hatramin’izao ny hampiroborobo ny famokarana eto Madagasikara, izay marihina fa manodidina ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Mifanindrandalana indrindra amin’izany, ny fisian’ity ozinina ity. Marihina fa afaka hamokatra zezika organika milanja 30 taonina, isan’andro ny orinasa. Zezika avy amin’ny ramanavy no vokarina, izay manaja ny tontolo iainana, mikajy ny fahasalaman’ny tany ary manohana ny famokarana maharitra, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana.
Ny tanjon’ny fisian’ity orinasa ity moa dia ny hanohana ireo mpamokatra satria heverina hanatsara sy hampidina ny vidin’ny zezika manerana an’i Madagasikara, ny fisiany. Hisy mpitsinjara, ihany koa any amin’ireo Faritra mpamokatra lehibe, indrindra ireo sompitry ny vary toa an’i Bas Mangoky, Ambatondrazaka ary Marovoay.

Ozinina vita tao anatin’ny iray volana sy tapany

Tao anatin’ny fotoana fohy no nahavitana ity ozinina ity, satria dia iray volana sy tapany monja. « Hanaporofoana izany fa haingam-piasa ny Fanjakana ary mijery akaiky ny tantsaha satria fantatra fa ny zezika sy ny masomboly no isan'ny olana lehibe sedrain'izy ireo », hoy ny Filoha Randrianirina Michaël. Raha tsiahivina moa dia vokatry ny fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis izay natao tany Abu Dhabi, farany teo, ity orinasa lehibe ity.
Aorian’izao fitokanana izao dia mbola hisy ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa hatao amin’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo orinasa tsy miankina amin’ny famatsiana ireo akora fototra ilain’ny ozinina. Izany dia ho fidiram-bola fanampiny ho an’ny tokantrano tantsaha sady hamorona asa ho an’ny mponina manodidina.
Nanamarika ihany koa ny Filoha, fa faritra manana tanjaka ara-pamokarana ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Faritanin'i Toliara manontolo saingy mbola fanamby lehibe ny tsy fahampian-drano. Ho setrin'izany dia efa noraisina ireo fepetra hanarenana ny fotodrafitrasa ara-drano sy hanohanana mivantana ny tantsaha.

Lire la suite

Articles Similaires