Ny fiantraikan’ny fifandiran’ny ray aman-dreny eo amin’ny zaza menavava
Matetika isika mieritreritra hoe satria mbola tsy mahay teny ny zazakely vao teraka, dia tsy mahalala izay fifandirana misy eo amin’ny mpivady. Araky ny fikarohana ara-tsiansa nefa dia voaporofo fa ny zaza dia toy ny sponjy mitroka ny fihetseham-po manodidina azy. Na dia tsy azony aza ny dikan’ireo fifanakianana, dia tsapany kosa ny herisetra, ny feo avo ary ny rarintsaina hifanaovan’ny ray aman-dreniny. Ampahafantarina eto ny fiantraikan’izany eo amin’ny fivoaran’ny zaza.
Miasa mafy ny « système sensoriel » ny zaza
Na dia mbola tsy azon’ny zazakely aza ny teny lazain’ny ray aman-dreny mandritra ny fifamaliana na fifandirana dia efa afaka mahatsapa izany sahady izy satria lasa miasa mafy ny « système sensoriel » ao aminy :
-Taitra na mitsamboatra izy rehefa misy tabataba: Mampitahotra azy ny feo avo sy ny kiaka, ary mahatonga azy hahatsiaro ho tsy voaro ;
-Mamaky ny endriky ny ray aman-dreniny izy : Mijery tsara ny tavan’izy ireo izy mandritra ny fifandirana ka raha vao mahita tarehy tezitra na endrika maloka sy tsy miraika, dia manjary lasa mitebiteby mafy ;
-Ifindran’ny rarintsaina : Mifindra toy ny aretina ny rarintsaina. Na dia tsy miresaka aminy aza ireo ray aman-dreniny, dia tsapany ilay « atmosphère » mavesatra ao an-trano, ka lasa mikorontana koa ny ao anatin’ny vatana keliny ao.
Ireo mety ho fiantraikany amin’ny fitomboana
Ny fahatsapana ho voaaro no fototra iorenan'ny maha-olona ny zaza. Raha mifanditra na mifamaly matetika eo imason’ny zazakely ny ray aman-dreniny dia mety hihisatra izany fototra izany ka hahatonga :
-Fikorontanan’ny torimaso. Lasa sarotra mahita tory izy, tapa-tory matetika na hanofy ratsy. Lasa mijanona « miambina » lava izy satria mahatsapa fa mikorontana ny manodidina azy.
-Fihemorana na fahatarana eo amin’ny fitomboana sy fivoarana. Ny fifandirana lava eo amin’ny ray aman-dreny dia mety hiteraka fahatarana eo amin’ny fianaran’ny zaza zava-baovao, toy ny fitenenana, fihetsehana… satria lany amin’ny fandrindrana ny tebitebiny ny heriny.
-Olana amin’ny fandevonan-kanina. Matetika ny tebiteby eo amin’ny zaza dia mivadika ho aretin-kibo, fitomaniana tsy an-kijanona, na fandavana sakafo.
Inona no azo atao hiarovana ny zaza?
Tsy misy mpivady tsy miady, ary tsy azo sakanana izany. Ny zava-dehibe anefa dia tsy ny fisian’ny ady, fa ny fomba fitantanana ny tsy fitovian-kevitra sy ny famahana izany :
-Raha tsapa fa miakatra ny mari-pana na ny fahatezerana dia ezahana ahemotra amin’ny fotoana fatorian’ny zaza na rehefa sy eo izy ny fifampiresahana.
-Raha avy nifamaly teo imason’ny zazakely dia mila ampitoniana izy rehefa vita ny fifandirana. Fihinina izy mba hitony sy mba hampidinana ny rarintsaina eo aminy.
-Resahana ny zaza. Hazavaina aminy amin’ny fomba tsotra hoe « tezitra kely i Dada sy Neny teo, fa tsy fahadisoanao izany. Tia anao izahay ary efa milamina ny zava-drehetra izao."
Fanamarihana : Manan-danja lehibe eo amin’ny zazakely ny fihavanan’ny ray aman-dreniny aorian’ny ady. Raha nahita ny fifamaliana na ny fifandirana izy dia tsara raha hitany ihany koa ny fiverenan’ny filaminana (fifampikasihana am-pitiavana, feo malefaka) mba hahatsapany fa tsy rava ny fifankatiavana.




