Fahasalamana : Toeram-pitsaboana miisa 30 nahitana fahasimbana vokatry ny rivodoza Gezani
Misedra olana ny lafiny fandraisana an-tanana ny marary, taorian’ny rivodoza Gezani, nandalo teto Madagasikara. Toeram-pitsaboana miisa 30 mantsy no nahitana fahasimbana, vokatr’izany.
Hopitaly lehibe miisa 2 simba
Lasan’ny rivotra ny tafo, vaky ny varavarambe sy ny varavaran-kely, dibo-drano ny efitranon’ny marary, izany no fiantraikan’ity rivodoza Gezani ity, tamin’ireo CHU Analakininina sy ny CHU Morafeno, tao Toamaasina. Raha ny tatitry ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) dia miisa 2 ireo hôpitaly lehibe simba, ka ireto roa ireto izany. Raha ny CHU Analakininina fotsiny dia nahatratra hatramin’ny 80% ny fahasimbana. Nampanano sarotra ny fikarakarana ireo marary izany fahasimbana izany, izay miteraka olana samihafa eo amin’ny fiainan’ny mponina. Etsy ankilany moa dia nahitana fahasimbana ihany koa ny lafiny herinaratra tamin’ireo hôpitaly ireo, izay mbola nanamafy ny fahasarotana hiainan’ireo mpitsabo.
Amin’izao fotoana izao dia efa niverina ny herinaratra ao amin’ireo toeram-pitsaboana ireo, ary efa mandeha miandalana, ihany koa ny fanarenana ny simba.
CSB 1 sy CBS 2
Mbola nanano sarotra ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo marary, eny amin’ny tontolo ambany vohitra, na manalavitra kely ny tanan-dehibe. Anton’izany dia nahitana fahasimbana amin’ny ampahany, ihany koa, ny CSB 1 miisa 11 sy CSB 2 miisa 17, amin’ireo faritra 5 tena voakasika.
Marihina fa efa mandeha tsikelikely, avokoa, amin’izao fotoana izao ny fanarenana ireo simba rehetra. Raha tsiahivina, dia efa nilaza ny Filohan‘ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, fa hatao laharam-pahamehana ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana. Efa tsy an-kiato ihany koa ny tohana, avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho an’ireny toeram-pitsaboana ireny. Isan’izany, farany teo, ny fanafody miisa 25 baoritra avy amin'ny OMS, ho fanampin'ireo izay efa voazara. Kidoro miisa 150 ho an'ny CHU Analakininina sy 105 ho an’ny CHU Morafeno. Teo ihany koa ny « tente » lehibe ho an'ny CHU Morafeno sy an'ny Hôpital Kely avy amin'ny UNICEF. Efa nisy tohana maro samihafa moa, talohan’ireo.




