Mizara ny sarin’ny zanaka ao amin’ny « Facebook » : mila fitandremana
Zava-dehibe amintsika Malagasy ny fianakaviana. Mahazatra ny maro ankehitriny ny mampiseho ny sarin’ny zanaka any anaty tambajotra sosialy, toy ny « Facebook ». Reharehana ny mampiseho ny fahombiazan’ny mpianatra, ny tsingerintaona, na ny hafaliana tsotra miaraka amin’ny mpianakavy. Mila fitandremana nefa ny fizarana ny sarin’ny zanaka anaty tambajotra sosialy satria efa mirongatra ny asan-jiolahy amin’ny alalan’ny aterineto (cybercriminalité). ‘Ndeha ho fantarina ireo « risques » mety ateraky ny fampisehoana ny sarin’ny zanaka ao amin’ny « Facebook ».
Mizarana ny sarin’ny zanaka ao amin’ny « Facebook » : manintona ireo olon-dratsy
Mampalahelo fa tsy mijanona ao anaty aterineto fotsiny ny ratsy. Eto Madagasikara, ny famoahana sary mampiseho fiainana manan-katao (fety be rentirenty, akanjo vaovao lafo vidy, fanomezana maro), indrindra raha miaraka amin’ny sarin’ny zanaka, dia mety hisarika ireo olon-dratsy.
Ny « risque » : Mety hahatonga fanararaotana na fisolokiana ireo ray aman-dreny izany. Amin’ny tranga tena ratsy aza, mety ho lasa fantatry ny olon-dratsy ny haren’ny fianakaviana ka mety hitarika fakana an-keriny (kidnapping) ny ankizy mba hangatahana honitra.
Fampiasana ny sarin’ny ankizy amin’ny zavatra ratsy (pédocriminalité)
Lohahevitra saro-pady nefa tsy maintsy resahana izy ity. Ny fampisehoana sarin’ny zanaka (ankizy) tsy dia mitafy loatra, toy ny eny amoron-dranomasina na eny amin’ny dobo-filomanosana ohatra, dia mety ho hita sy alain’ireo tambajotra mpanao ratsy iraisam-pirenena.
Tandremo : Raha vantany vao tafiditra ao amin’ny « Facebook » ny sary iray, dia misy olona afaka mitahiry azy (télécharger) sy mampiditra azy any anaty vondrona miafina maloto (mamoafady) nefa tsy fantatrao mihitsy.
Fanoroana tsy nahy ny toerana amin’ireo mpanao ratsy
Tiantsika loatra ny manao « Tag » ny toerana misy antsika na misy ny zanantsiaka rehefa mizara zavatra ao amin’ny « Facebook » : « any am-pianarana X », « ao amin’ny trano fisakafoanana Y ».
Ny loza : Ny famoahana sary mivantana eo amin’ny tambajotra sosialy dia mampahafantatra ny toerana misy ny zanaka amin’io fotoana io. Izany dia ahafahan’ny mpanao ratsy mahafantatra ny fahazaran’ny zanaka, ny sekoliny ary ny fotoana firavany, ka manamora ny fanafihana na ny fanarahan-dia azy.
Tsy fanajana ny hoavin’ny ankizy
Rehefa mamoaka sary mampiseho ny fiainan’ny zanaka manokana ny ray aman-dreny dia mamela soritra izany ao anaty aterineto. Mety misy amin’ireo sary ireo no mahamenatra ilay ankizy nefa dia hanaraka azy mandritra ny androm-piainany izany.
Ny fiantraikany : Ny sary heverintsika fa mahafatifaty ankehitriny dia mety ho lasa fitaovana hanesoana azy any am-pianarana any aoriana, na hanimba ny endriny rehefa hitady asa izy amin’ny maha-olon-dehibe azy.
Ireo fomba tsara ampiharina hisorohana izany
Ny fomba mahomby indrindra hiarovana ny zanaka amin’ireo « risques » voalaza teo ambony ireo dia ny tsy fampisehoana na fizarana ny sarin’izy ireny eny amin’ny tambajotra sosialy. Raha tena maniry ny hamoaka ny sarin’izy ireny kosa nefa dia misy ireo torohevitra manampy hiarovana azy ireo, toy ny hoe:
-Takonana amin’ny « emoji » ny tarehiny na alaina sary avy any an-damosina izy mba tsy ho fantatra ny endriny ;
-Tsy aseho ny fanamian’ny sekoly mba tsy hahafantarana ny toerana ianarany sy ny toerana misy azy isan’andro ;
-Sivanina ny namana ao amin’ny « Facebook » ;
-Tsy mamoaka sary mivantana (en direct). Rehefa tafaverina any an-trano vao mamoaka sary.




