Fahasalamana : Famatsiam-bola vaovao avy amin’ny Tahirimbola Iraisampirenena miady amin’ny VIH, tiberkilaozy ary tazomoka ho an’i Madagasikara
Tombony lehibe no azon’i Madagasikara, taorian’ny dinika nifanaovan’ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra, Herintsalama Rajaonarivelo, tamin’ny Tahirim-bola iraisampirenana miady amin’ny VIH, ny koha-davareny ary ny tazomoka. Tapaka tamin’izany mantsy ny fitohizan’ny famatsiam-bola natokana ho an’i Madagasikara.
Fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana
Zava-dehibe ho an’ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana iraisampirenena ity fihaonana teo amin’ny delegasiona malagasy, sy ny Tale misahana ny fitantanana ny famatsiam-bola eo anivon’ny Tahirimbola Iraisampirenena, Andriamatoa Mark Edington, ity.
Nifantoka indrindra tamin’ny fampitomboana ny loharanom-bola ho an’i Madagasikara ny fifanakalozana. Vola izay entina miady amin’ny VIH/sida, ny tiberkilaozy ary ny tazomoka. Raha tsiahivina dia mbola betsaka ny ezaka mila atao, raha mikasika ireo aretina miisa telo ireo, manerana ny Nosy. Isan’ny aretina tena mbola mamono olona betsaka rahateo. Izany indrindra no nisian’ny fanaovan-tsonia ny fisitrahana ny famatsiam-bola manaraka. Hahazo loharanom-bola vaovao mandritra ny telo taona, avy amin’io Tahirimbola Iraisampirenena io ny Firenena malagasy, araka izany, ho fiantohana ny fitohizan’ny fitsaboana sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana
Fitantanana mangarahara ny vola
Samy nanamafy ny roa tonta fa ilaina ny fiaraha-miasa miorina amin’ny fitokisana, ny mangarahara ary ny fahombiazana, mba hahazoana vokatra maharitra sy tena misy fiantraikany.
Nifantoka ihany koa tamin’ny lafiny fitantanana ara-bola sy ny fanajana ny fenitra iraisampirenena ny dinika. Nohamafisin’ny Governemanta Malagasy ny fahavononany hanatsara ny fanaraha-maso anatiny, hiantohana ny fampiasana ara-dalàna ny vola, ary hanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana ireo loharanom-bola azo.
Tanjona amin’izany ny hanafainganana ny fividianana sy fizarana fanafody, kojakoja ara-pahasalamana ary fitaovana ilaina, sady hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana manerana ny Nosy. Marihina ihany koa fa ireo famatsiam-bola vaovao ireo dia hanampy amin’ny fitohizan’ny fitsaboana, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ary ny fanitarana ny fidiran’ny mponina marefo amin’ny tolotra ara-pahasalamana. Notsindrian’ny mpamatsy vola fa tsy maintsy entina am-pitandremana sy amin’ny mangarahara tanteraka ireo vola ireo, mba hahazoana antoka fa tena manavotra aina sy miaro ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy.




