• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dentinéa
Image
Reny&Zaza

Zaza maniry nify na « poussée dentaire » : inona no atao ?

13/02/2026 11:09 © Moov.Mg

Dingana voajanahary amin’ny fivoaran’ny zaza ny fanirian’ny nify na « poussée dentaire ». Manodidina ny faha enim-bolana eo izy no manomboka maniry nify voalohany na ilay antsoina hoe « dent de lait ». Mety tsy hampahazo aina izy io, indraindray maharary, ka mety hanelingelina ny torimaso sy ny fahazotoan-koman’ny zaza. Ireto ary misy torohevitra vitsy manampy hiatrehana ny « poussée dentaire » ny zazakely.

Inona no atao hoe « poussée dentaire » na hoe zaza maniry nify ?

Atao hoe maniry nify ny zaza na manao « poussée dentaire » rehefa manomboka mivoaka eo amin’ny hihy ny nify ronono (dent de lait), izay azo lazaina hoe nify vonjimaika izay mbola hifona sy hisolo. Araka ny voalaza teo ambony dia eo ho eo amin’ny faha enimbolana ny zaza no maniry nify, nefa koa mety ho lasa aloha na somary taratara ny fisehon’izany, miankina amin’ny zaza tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia nify 20 no hivoaka tsikelikely mandra-pahatongan’ny zaza 2 ka hatramin’ny 3 taona.

Inona avy ireo famantarana fa maniry nify ny zaza ?

Tsy voatery hitovy ny fomba fisehon’ny « poussée dentaire » eo amin’ny zaza rehetra. Anisan’ireo famantarana fahita izay mety hitranga eo amin’ny zaza maniry nify ny hoe :
-Menamena ny hihy, mivonto ary mora manaintaina ;
-Lasa be rora be ;
-Te hanaikitra na hitsako zavatra foana ;
-Mora tezitra na mitomany matetika ;
-Fikorontanan’ny torimaso
-Manavinavy (tsy voatery ho mamay be)
-Fiakaran’ny hafanana kely (fa tsy tazo mahery)
Marihana fa tsy voatery ho avy amin’ny fanirian’ny nify no mampanavy be na mampivalana be ny zaza manao « poussée dentaire ». Noho izany, raha misy ahiahy dia ilaina hatrany ny manantona mpitsabo.

Ahoana ny atao hampitoniana ny fanaintainana eo amin’ny zaza maniry nify ?

Misy ireo torohevitra manampy mba hampihenana na hampitoniana ny fanaintainana eo amin’ny zaza maniry nify :
-Mampiasa « anneau de dentition ». Atao madio tsara ary somary hampangatsiahana kely ny « anneau de dentition » ka io no homena ny zaza kakikakeriny moramora mba hampitony ny fanaintainana eo amin’ny hihiny.
-Horina moramora ny hihy. Sasana tsara ny tananao, dia horina moramora amin’ny rantsantanana madio na lamba malefaka lena sy madio ny hihin’ny zaza. Tsy tsara ny mikosoka ny hihiny amin’ny siramamy na tantely satria mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ilay nify vao hitsiry ny fanaovana izany.
-Mampiasa hatsiaka malefaka hampitoniana vetivety ny fanaintainana. Hapangatsiahana ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny minitra vitsy ny sotrokely ary io no petahana moramora eo amin’ny hihin’ny zaza. Mila fitandremana tsara ny fanaovana izany. Rehefa tony sy tsy mitomany ny zaza no atao azy io mba tsy handratra azy ilay sotrokely.
Raha hita fa tena mampijaly be ilay zaza ny fanaintainana na tsy mety mitony dia mila manantona mpitsabo mba hahazo fanafody manala fanaintainana. Mila entina mpitsabo ihany koa ny zaza maniry nify raha toa ka manavy be ( mihoatra ny 38°C), tsy misinda ao anatin’ny andro maromaro ireo fambara na koa tsy mety misakafo ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires