• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Takaitran’ny rivodoza Gezani : Haharitra roa herinandro ny fanarenana mikasika ny jiro sy rano

12/02/2026 12:34 © Moov

Nandravarava tanteraka tamin’ireo toerana nolalovany ny rivo-doza Gezani. Isan’ny nitondra takaitra tamin’izany ireo fotodrafitrasa mikasika ny famatsiana herinaratra sy rano. Raha ny fanambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, dia haharitra roa herinandro eo ny fanarenana ireo fahasimbana.

Toamasina : nahitana fahasimbana hatramin’ny 80%

Notaterin’ny orinasa Jirama, omaly 11 febroary fa tena goavana ny fahasimbana raha ho an’i Toamasina, manokana, izay toerana nidiran’iny rivodoza iny. Raha ny antontan’isa dia hatramin’ny 80% ny fahasimban’ny tambazotra mpitsinjara herinaratra, tao an-toerana. Etsy ankilany dia vata mpanova herinaratra (Transformateur) miisa 10 no nianjera, andrin-jiro MT (Moyenne tension) 50 ary BT (Basse tension) 900 no potika sy nianjera tamin'ny tany. Ankoatra izay moa dia nisy fahasimbana haramin’ny 90% ihany koa ny toby famorakaran-drano ao Farafaty. Efa mandeha tsikelikely ny fanarenana amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana, saingy heverina haharitra izany.
Nanambara ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana, ny hanampian’ny orinasa Jirama, ny ekipa miasa ao Toamasina, mba hahafahana mamerina haingana ny famatsiana, ka efa tonga any ireo ekipa sasany.

Vahaolana vonjimaika

Manoloana izany moa, ny Minisitra, Ralitera Ny Ando Jurice dia nanome toky fa hanao izay fara heriny, izy ireo, ny amin’ny famahana ny olana. Raha ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo manokana (RIA) dia miandry ny fidinan’ny rano, ny fanadiovana ao Andekaleka. Manazava ny Minisitra fa nitondra fako be manentsina ny “grille” ao amin’ny tohodrano, ao mantsy ny rano, ary mahatratra 2,5 metatra ny haavon’ny rano amin’izao fotoana izao. Rehefa midina ny rano vao afaka manatanteraka ny fanadiovana sy ny fanalana ireo fako ny teknisianina, raha ny fanazavana.
Izany rehetra izany, no nanamarihan’ny Minisitra ny mety hampaharitra ny fanarenana. Marihina fa efa misy ireo milina roa, izay manana tanjaka 500 KVA sy 160 KVA, nalefa any Toamasina, mba hahafahana mamerina ny famokarana herinaratra ao an-toerana. Ankoatran'ireo milina dia niainga androany ihany koa ny ekipa teknika sasany fanampin'ireo lasa omaly sy ny fiara be mitondra ireo bakoly sy ferrure d'armement, entina hanarenana ireo tambazotra mpitsinjara herinaratra any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires