• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fahazarana madinika tsy tandrina nefa manasarotra ny fiainana

03/02/2026 16:47 © Moov.Mg

Samy manonofy fiainana tsotra kokoa sy mirindra kokoa isika rehetra. Matetika nefa isika dia mamorona fahazarana madinika, mety ataontsika isan’andro, izay manasarotra amin’ny tsy antony ny fianantsika andavanandro. Tsy zavatra na fihetsika lehibe mampiahiahy izy ireo, fa kosa fitambaran’ireo fihetsika kely mandeha ho azy izay lasa manavesatra ny andavanandrom-piainana sy mamizaka tsikelikely. ‘Ndeha ho resahana eto ny mikasik’izany.

Fangatahan’andro amin’ny fanaovana zavatra tokony ho vita vetivety

Fahazarana madinika isany manasarotra ny andavanandrom-piainantsika ny fangatahan’andro lava amin’ny fanaovana zavatra, indrindra ireo zavatra tokony ho vita vetivety. Mampirina fandriana, manasa lovia avy misakafo, mamaly hafatra amin’ny finday… Mety ho zavatra maivana sy kely izy ireo rehefa raisina tsirairay. Rehefa mitambatra kosa dia lasa enta-mavesatra miafina ao an-tsaina. Ny asa na raharaha rehetra ahemotra dia mijanona ao an-doha, toy ny pejy misokatra tsy sahina akatona. Vokany : mahatsiaro ho tototry ny asa na raharaha isika nefa tsy fantatra akory ny antony.

Manaiky eo am-bava nefa mandà ny ao an-tsaina

Fihetsika iray manasarotra tsy amin’ny antony ny fiainana ny fahazarana manaiky am-bava nefa mandà ny ao an-tsaina. Maro ny antony mety mahatonga antsika hanao izany : tsy te hanazava, tsy te handiso fanantenana, matahotra ny ho raisina tsy mahalala fomba, tsy te hahatezitra ny hafa… Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa tototry ny adidy tsy fidiny fa tsy niriana ny tontolo andro.

Mitady vahaolana tonga lafatra

Mikatsaka ny hametraka fandaminana tsara foana isika amin’ny lafin-javatra rehetra amin’ny andavanandrom-piainana. Miezaka mametraka « routine » tonga lafatra sy mandray fanapahan-kevitra tsy misy fahadisoana amin’ny zavatra rehetra. Mba hahatongavana amin’izany dia lasa mandany fotoana mieritreritra lalina, mandinika ny antsipiriany, misalasala… hany ka lany eo ny ora maro. Io fikatsahana ny tonga lafatra io no isan’ny manasaro-javatra izay tokony ho tsotra amin’ny andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires