• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Toerana fandraisana traboina any Mahajanga : Hisy fepetra horaisina, ho fisorohana ny fifindran’ny mpox

02/02/2026 12:51 © Moov.Mg

Taorian’ny fandalovan’ilay rivo-doza Fytia, izay naha-traboina olona an’arivony maro, dia isan’ny ahiana ihany koa ny hampirongatra ny valanaretina mpox, izay tany Mahajanga no nipoirany. Io renivohitry ny Faritr’i Boeny io ihany koa anefa no isan’ny ahitana traboina betsaka, nafindra amin’ny toerana efa voatokana ho azy ireo.

Fehezina ny valanaretina mpox

Araka ny nambaran’ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, omaly 1 febroary 2025, nandritra ny fitsidihana ny Ivotoerana Nationaly misahana ny Fandrindrana ny Asa Vonjy eo anivon’ny BNGRC, eny Avatr'Antanimora, dia isan’ny hojerena manokana ny lafiny ara-pahasalamana eny anivon’ireny toerana natokana handraisana traboina ireny. Betsaka sy mifangaro ireo olona navondrona amin’ny toerana iray, ka ahiana kokoa ny mety hifamindran’izy ireo aretina. Hisy, araka izany ny fandraisana fepetra manokana, ho an’ny faritra Boeny, araka ny fanazavan’ny praiminisitra.

Raha ny fampitam-baovao farany avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho an’ny datin’ny 31 janoary 2026, dia nisy 15 ireo trangana mpox vaovao ahiana teto Madagasikara. Niisa 4 kosa ireo tranga voamarina, ka ny 2 tamin’ireo dia teto Antananarivo, ny 1 tany Fianarantsoa, ary ny 1 tany Toliara. Niisa 6 kosa ireo olona sitrana, tamin’io datin’ny 31 janoary io. Raha atambatra ny isan’ireo trangana mpox voamarina hatramin’izay teto Madagasikara, dia niisa 228.

Miara-miasa amin’ny mpamatsy vola

Niara-nitsidika ny Ivotoerana Nationaly misahana ny Fandrindrana ny Asa Vonjy tamin’ny praiminisitra, tamin’io andron’ny omaly io, ireo mpanolo-tsaina avo telo, ny jeneraly Rabearimanana Lucien, ny kôlônely Andriamiarisoa Gervais sy ny kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry. Nambaran’izy ireo, nandritra izany, fa « miezaka manakaiky ny vahoaka hatrany ny fitondram-panjakana, ary manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny toe-draharaha eny amin’ny fiarahamonina ». Izany indrindra no nahatonga azy ireo hifampizara andraikitra, ka nijery ny Faritra Boeny ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ny mpanolo-tsaina avo, ny jeneraly Zafitasondry Noelison Marcellin, raha nidina teny amin’ny kaominina Ampahitrosy, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano kosa ireo mpanolo-tsaina Avo telo, mialohan’ny niatrehan’izy ireo ny fivoriana niaraka tamin’ny pariminisitra sy ny BNGRC.

Nanamarika ny kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, fa tafiditra ao anatin’ny fisorohana sy fiomanana amin’ny loza, izay efa fantatra fa tsy maintsy misy isan-taona, ny fivoriana an-tampony niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika amin’i Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny. Notsiahivin’ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, fa isan’ny noresahana tamin’ireo mpamatsy vola ireo ny famatsiam-bola mialoha, ny famatsiam-bola haingana, ary ny famatsiam-bola mifanaraka amin’ny tetikasa sy ny fotodrafitrasa ataon’ny Fanjakana.

Mandray andraikitra ny governemanta

Nilaza ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, fa samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo mpikamban’ny governemanta tarihiny, ao anatin’izao voina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia teto MAdagasikara izao. « Tsy ho an’izao rivo-doza izao ihany no nametrahana ny paikady nasiônaly hiadiana amin’ny loza voajanahary, fa ny amin’ny ho avy rehetra dia efa tafapetraka ny andraikitry ny minisitra tsirairay amin’ny faritra izay tokony ahiany avy, sy ireo asa hiarahana amin’ny BNGRC, APIPA, ONN... », hoy ny fanazavany. Minisitra miisa telo no efa niaraka tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana nidina tany amin’ny Faritra Boeny, izay tena tra-pahavoazana lehibe indrindra, ary mbola hisy minisitra telo ihany koa ho avy any an-toerana, miaraka amin’ny fanampiana, fitaovana sy sakafo hanohanana ireo tra-boina.

Isan’ny hojerena manokana, araka ny fanazavan’ny praiminisitra, ny mety ho olan’ny rano sy ny jiro any an-toerana, ka isan’ny ho avy any amin’ireo Faritra tra-boina ny minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana, sy ny minisitry ny angovo sy ny Akoranafo.

Lire la suite

Articles Similaires