• Cours de change
  • 5235.32 AR
  • |
  • $4489.44 AR
Copyright Image : © Ho Lovainjafy
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Lasa faritra manandanja ara-karazanjavamananaina ny faritra arovana Belemboka Bombetoka

27/01/2026 11:55 © Moov

Nahazo ny mari-pamantarana manokana na « Lable KBA (Key Biodiversity Area) » ny faritra arovana Belemboka Bombetoka, izay hita ao amin’ny faritra Avaratra Andrefan’i Madagasikara. Fankatoavana avy amin’ny UICN, izay manamarika ny maha manandanja io toerana io sy ireo karazanjavamananaina ao aminy ary ny tokony hanamafisana ny fiarovana azy.

Manan-karena zavamananaina miavaka

Ny fanasokajiana an’i Belemboka Bombetoka ho faritra manan-danja ara-karazanjavamananaina, na Key Biodiversity Area (KBA), dia dingana lehibe eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eny amorontsiraka eto Madagasikara. Antsoina hoe KBA ny toerana iray rehefa ahitàna karazam-biby na zavamaniry tandindonin-doza, karazana tsy fahita afa-tsy eto an-toerana, na koa tontolo iainana tsy fahita firy na miavaka.
Ity mari-pamantarana manokana ity, raha ny fanazavana dia hafatra ampitaina amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fitandrovana ny fifandanjan’ny tontolo iainana maneran-tany io toerana io ka mendrika harovana manokana. Ho an’i Belemboka Bombetoka, mifototra indrindra amin’ny fisian’ireo karazam-borona telo manan-danja eran-tany ireto ny fanekena azy ho KBA, dia ny Anas bernieri, Ardeola idae ary Threskiornis bernieri.

Anas bernieri, karazana vorona tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara

Anisan’ireo karazam-biby hita ao amin’ity faritra arovana ity ny Anas bernieri, fantatra amin’ny anarana hoe Sadakely. Karazam-borona tsy hita afa-tsy eto Madagasikara izy ity ary any amin’ny faritra Avaratra Andrefan’ny nosy no tena ahitana azy. Ankehitriny dia sokajiana ho isan’ireo karazana tandindonin-doza izy noho ny fihenan’ny isan’izy ireo hatrany. Ao amin’ny faritra Belemboka Bombetoka, 36 monja sisa ireo vorona lehibe voaisa. Kely habe izy nefa mahavita manidina lavitra, ary mampiavaka azy ny molony somary mavokely ary ny elany misy pentina fotsy sy mainty hita tsara rehefa manidina. Miankina tanteraka amin’ny faritra mando, toy ny honko sy ny farihy, ny fahaveloman’ity vorona ity.
Ankoatra ny fanekena ara-tsiantifika, ny mari-pamantarana KBA dia fitaovana stratejika entina mampiray sy mampihetsika ireo mpisehatra eo an-toerana, ny mpanapa-kevitra ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’ny fiarovana maharitra an’i Belemboka Bombetoka.
Any amin’ny 30km miala an'i Mahajanga no misy an'i Bombetoka-Belemboka. Mitotaly 71 943 ha ny velaran-tanin’i Bombetoka. Ahitana karazana varika 7, vorona 111, zavamaniry 29 ka tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny 16 amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires