Fiarovana ny mpanjifa : Hisy ny fitsirihana tampoka hanaraha-maso ireo fitaovam-pandanjana
Hisento kely indray ny mpanjifa tratran’ny hala-danja matetika ato ho ato. Nanatanteraka fidinana teny amin’ny tsenan’Analakely, nanentana sy nampatsiahy mikasika ny lalàna amin’ny fampiasana fitaovam-pandanjana voamarina, ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana.
Harahi-maso matetika ny mpivarotra
Niaraka tamin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa moa ireto tompon’andraikitra ireto nandritra ity fidinana ity. Tao anatin’izany no nipoiran’ny hevitra ny amin’ny hanatanterahana fidinana tampoka (descente inopinée) hahafahana tena miaro ny mpanjifa. « Midina ety izahay androany dia manaraka ny lalàna ny mpivarotra fa rahampitso sy afak’ampitso dia miverina amin’ny taloha ihany ka ao anati’ny fanovana dia hisy ny fitsidihana tampoka, eny anivon’ny tsena », hoy ny avy ao amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Hanaovana izany avokoa na ireo mpivaro-kena sy mpivarotra legioma ary ireo mpivarotra enta-madinika samihafa.
Tanjon’izany raha ny fanazavana dia hahafahana manara-maso akaiky ireo mpampiasa fitaovam-pandanjana ireo. Eo ihany koa ny hanatanterahana ny politikan’ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, dia ny hiaro ny mpanjifa sy ny hampanara-dalàna ireo mpivarotra.
Fanentanana sy fampianarana
Ankoatra ny fitsirihana ireo fitaovana dia nentanina sy nampahafantarina ireo mpivarotra ireo ihany koa ny lalàna misy mikasika ny hala-danja. Tetsy amin’ny Efitrano malalaky ny Boriborintany voalohany etsy Soarano ny niantsoan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana no navondrona ireo mpivarotra. Nampahafantarina azy ireo ny fitsipika mifehy momba ny fampiasàna mizàna. Tazana teny an-toerana na mpivaro-kena, na mpivarotra legioma toy ny mpivarotra tongolo sy voatabia mampiasa fitaovam-pandanjàna.
Nivoitra tamin’izany fa mitarika amin’ny fanasaziana ny fampiasana fitaovam-pandanjàna tsy voamarina ka nohamafisina ny fanentanana 'ireo mpivarotra ireo mba ho fiarovana ny mpanjifa. Ary tokony hita eo amin'ny tsena ny taratasy fanamarinana (vignette de balance) fa voatsara sy marina ny fitaovam-pandanjàna. Aorian’izany moa dia hisy ny fandraisana andraikitra mifandraika amin’izany mba hisorohana ny mety ho fanararaotana.


