Politika : Nidoboka am-ponja vonjimaika ny Dr Sahondrarimalala sy ny Gal Ravalomanana
Naiditra am-ponja vonjmaika eny amin'ny Fonjan'Imerintsiatosika ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ary eny amin'ny Fonjan'Avaradrano kosa ny Dr Sahondrarimalala Marie Michelle.
Niseho teo anoloan'ny Mptsara mpanao famotorana ny lohandohany roa amin'ireo mpanaradia ny fitondrana Rajoelina, ny 19 janoary.
Depiote Dr Sahondrarimalala
Ny fizarana vola nitaomana olona hanao fanakorontanana no vesatra iampangana azy, niaraka tamin'ny olona 12. Nisy mantsy ny hetsika notontosain'ny mpomba ny fitondrana teo aloha, teny amin'ny 13 mai Analakely sy manoloana ny HCC Ambohidahy. Anisan'ireo mpitarika tamin'izany ny Dr Sahondrarimalala, niaraka tamin'i Rinah Rakotomanga. Adika ho "atteinte à la sûreté de l'Etat" izany. Io fiampangana io moa no nohamafisin'ny mpisolovava azy, fa antony nitazonana sy nanaovana fanadihadihana, niaraka tamin'olona 12 izay samy mpomba ny filoha teo aloha Andry Rajoelina. Naneho hagagana tanteraka ny depiote voafidy tao Fianarantsoa, Dr Sahondrarimalala, nandritra ny nivoahany ny Fitsarana nihazo ny fiara nitondra azy, ka namerimberina ny antony itazomana azy am-ponja sy iandrasany fitsarana.
Ny Fitsarana Tampony no niandraikitra ny raharaha mikasika ny Dr Sahondrarimalala, amn'ny maha-Mpitsara [Magistrat de premier grade] azy. Nisy ny "autorisation de poursuite" navoakan'ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. Manampy izany, efa noesorin'ny birao maharitry ny Antenimierampirenena ny "immunité parlementaire", izay manamora ny dingana rehetra arahina amin'ny fanenjehana azy. Tsy nasongadin'ny Tonia Mpampanoa lalàna kosa izay mety ho raharaha hanenjehana azy amin'ny maha-minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha ny tenany.
Araka izany, nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin'ny Fonjan'Avaradrano ny Dr Sahondrarimalala, mandra-piandry ny fitsarana azy.
Jeneraly Richard Ravalomanana
Raha tsiahivina, ny 27 desambra lasa teo no nisamborana ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Very ny toerana maha-loholona azy noho ny tsy fanatrehany fivoriana. Noho ny savorovoro mikasika ny fisamborana azy, ny Minisitry ny Fitsarana mihitsy no nifampresaka mivantana taminy. Nisy ny fanadihadihana nataon'ny zandarimaria teny amin'ny Toby Ratsimandrava, ka nalefa "résidence surveillée" teny amn'ny trano fonenan'ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian ny tenany.
Ny hanenjehana azy moa dia ny firaisana tsikombakomba amin'ny famonoana olona sy fandratrana olona niniana natao. Nanome baiko sy namporisika ireo mpitandro ny filaminana ny tenany, mba hampiasa ny hery famoretana, amin'ireo vahoaka mpitolona. Raisina ho fisandohana andrakitra izany, satria tsy fahefan'ny Filohan'ny Antenimierandoholona ny fanomezana baiko ny mpitandro ny filaminana. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin'ny Fonjan'Imerintsiartosika ny tenany, araka ny tapaky ny mpitsara.


