• Cours de change
  • 5238.25 AR
  • |
  • $4538.87 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Afrika Atsimo : Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny sazy napetraky ny Vondrona Afrikanina

18/01/2026 11:41 © Moov.Mg

Miabo ny vokatra azo avy any Afrika Atsimo, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly 17 janoary 2025. Ankoatra ny fihaonana tamin’ny filoha Cyril Ramaphosa, dia nisy ihany koa ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpandraharaha maniry ny hampiasa vola eto Madagasikara.

Tohana eo anivon’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina

Niompana amin’ny fanantanterahana ireo fanavaozana, izay heverin’ny Malagasy fa hitondra amin’ny fananganana ny Repoblika vaovao izay andrandrain’ny besinimaro, ny dinika nifanaovany tamin’i Cyril Ramaphosa, filohan’i Afrika Atsimo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël. Ny zoma lasa teo izy ireo no niara-nidinika, tany Mahlamba Ndlopfu, any Pretoria, izay toeram-ponenana ofisialin’ny filoha afrikanina tatsimo. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny fanampian’i Afrika Atsimo an’i Madagasikara, mba hanala ny sazy napetraky ny Vondrona Afrikanina. Nomarihin’ny kolonely Michaël Randrianirina fa efa kely sisa io sazy io.

Amin’ny maha-firenena matanjaka aty Afrika an’i Afrika Atsimo, indrindra eo anivon’ireo vondrona iraisam-paritra, toy ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, no nahatonga an’i Madagasikara hangataka ny fanohanany. Vokatra azo tamin‘ity dia arak’asa nataon’ny filoham-panjakana ity ihany koa ny faneken’i Afrika Atsimo hampiditra an’i Madagasikara ho mpiara-miombona antoka (partenaire) ao anatin’ny BRICS, sy hampandray anjara an’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampony hotontosain’ity vondron’ny samy tatsimo ity, izay hatao any Inde amin’ny volana jona sy jolay ho avy izao, araka ny fanazavan’ny kolonely Randrianirina Michaël.

Etsy an-daniny, nambarany fa neken’i Afrika Atsimo ny hanoloran’i Madagasikara Masoivoho vaovao hapetraka any an-toerana, ary tsy hiandry ela izany.

Mpandraharaha maro, te hampiasa vola eto Madagasikara

Tahaka izay tanteraka nandritra ny dia arak’asa nataon’ny filohan’ny Fanavaozana tany Abu Dahbi, dia nihaona tamin’ireo mpandraharaha maniry ny hampiasa vola eto Madagasikara ihany koa ny kôlônely Randrianirina Michaël, tany Afrika Atsimo. Misy amin’izy ireo no misehatra amin’ny fanodinana ny fary ho lasa siramamy, ka nifampidinihana tamin’izy ireo ny momba ny fiaraha-miasa azo atao ho hamelomana indray ny orinasa SIRAMA. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny mpandraharaha misehatra amin’ny fanamboaran-dalana. Ny momba ny fanokafana ny lalana mankany Maintirano no isan’ny lehibe indrindra amin’ireo fifanaraham-piaraha-miasa nifampiresahan’ny filoham-panjakana tamin’izy ireo. Ankoatra izay dia nifampidinika tamina mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ny kôlônely Randrianirina Michaël, araka ny tatitra nataony, mba hanokafana ny fifaninanana.

Omaly 17 janoary moa dia nihaona tamin’ireo Malagasy monina ao Afrika Atsimo ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ramatoa vadiny. Nangatahan’izy ireo ny hanokafana ny sidina mivantana mampitohy an’Antananarivo amin’i Pretoriat na amin’i Johannesburg. Hirosoana tsikelikely ny fifanarahana momba izany, hoy ny kolonely Randrianirina Michaël.

Lire la suite

Articles Similaires