Orinasan-dRavatomanga : Hisitraka ny karama desambra 2025 ireo mpiasa
Nandray andraikitra mikasika ireo Orinasan-dRavatomanga ny Fitsarana, ho fitsinjovana ireo mpiasa sy ireo misitraka tombontsoa mivantana. Karama maherin'ny 2 miliara ariary no ho avoaka amin'ireo kaonty nogiazana.
Fandoavan-karama
Navoakan'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly, PAC, ny didy mamaha amin'ny ampahany ny kaonty nogiazana. Ny tanjona amin'izany dia ny hanefana ny karaman'ny mpiasa volana desambra 2025.
Marihana moa fa 40 eo ho eo ireo orinasan'ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga manerana ny Nosy, ka anisan'izany ny Auto Diffusion, ny SMC Presse, Ino vaovao, HR Company, Alliance Export / Immobilier, Sodiatrans, Azura sy LAM Immobilier.
Ny banky voakasika no hanome ny lisitry ny mpiasa, miaraka amin'ny mari-karamany avy, ka ho arotsaka mivantana any amin'ny "compte bancaire"-n'ny mpiasa tsirairay ny karama. Mitentina 2.177.023.008 ariary moa ny tontalin'ny karaman'ireo mpiasa rehetra.
Fitsaboana eny amin'ny Polyclinique Ilafy
Toeram-pitsaboana anisan'ireo lehibe sy manara-penitra ny Polyclinique Ilafy. Miavaka amin'ny fananana fitaovana fanaovana "dialyse" io toerana io, fitsaboana anisan'ny mbola sarotra eto Madagasikara. Efa nanatanteraka fitakiana fanairana ireo marary voa mitsabo tena ao an-toerana noho ny zava-tsarotra lalovan'ny hopitaly.
Anisan'ny voakasiky ny didy navoakan'ny PAC ny mikasika ny Polyclinique Ilafy. Ankoatra ny handoavana ny karaman'ireo mpiasa, hivoaka ihany koa ny vola fampandehanana ny fitsaboana araka ny tokony ho izy.
Maneho izao didy izao fa mahaleotena ny Fitsarana. Misy hatrany ny fijerena manokana ireo voatohitohina, raha misy olona enjehin'ny lalàna, indrindra eo amin'ny sehatry ny fandraharahana.


