• Cours de change
  • 5266.33 AR
  • |
  • $4547.08 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Mpox : Miisa 24 ireo marary, amin'ny toerana 5 eto Madagasikara

14/01/2026 11:48 © Moov

24 ireo marary voamarina fa tratran'ilay valan'aretina "Variole du singe", ny datin'ny 12 janoary 2026.

Tafakatra 228 ny trangana Mpox ny 12 janoary, raha 207 izany ny 11 janoary. Tranga ahiana ny 204 amin'izany. Hatreto dia toerana 5 no nahitana olona marary, dia Antananarivo, Mahajanga, Maevatanàna, Antsirabe ary Mandoto.

Fanamafisana ny fepetra

Saika efa mandray ireo fepetra tandrify azy avokoa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, mba hisorohana ny fipartahan'ny Mpox. Entanina ihany koa ny tsirairay mba samy hiaro ny tenany sy ny manodidina azy, na amin'ny alalan'ny fanaovana arovava sy fanasana tanana matetika fotsiny aza.
Ho an'ny eny Ivato manokana, nisy ny fivoriana narahana fifanakalozan-kevitra sy fikaonan-doha izay niarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon'ny seranampiaramanidina. Tanjona tamin'izany ny hanamafisana sy hanavaozana ireo paik'ady napetraka eny amin’ireo vavahady fidirana sy fivoahana ny Firenena, amin’ny maha-toerana saropady azy ireny. Ny fifampidinihana moa dia nifantoka manokana tamin’ny fanamafisana ireo fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fiarovana ny vahoaka Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires