Jeneraly Lylyson René de Rolland : « An’ny Malagasy ireo Îles Eparses miisa 4 raha ny famaritana ny fari-dranomasina vaovao »
Nitafa tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny Jeneraly Lylyson René de Rolland. Nanao tatitry ny asa vitany, tao anatin’io Minisitera tantaniny io, nandritra izay roa volana izay ny tenany, ka nivoitra tamin’izany ny mikasika ny Îles Eparses.
Famaritana ny fari-dranomasina vaovao
Isan’ny asa lehibe nivaingana tao anatin’izay roa volana izay, raha ny nambarany ny mikasika ny fandrafetana ny rafi-tanin’i Madagasikara vaovao, indrindra ny any anaty ranomasina. Nomarihiny fa isan’ny mametraka ny fiandrianam-pirenena, ny mikasika ny fari-dranomasina, izay zava-dehibe ihany koa amin’ny lafiny toe-karena.
Araka izany, asa lehibe notanterahina ity fandrefesana indray ny fari-dranomasina ity. Minisitera miisa sivy (9) no niara-nifarimbona tamin’ny fanatanterahana izany, ka niditra tao anatin’ny Komity mpanatanteraka. Nahitana ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ireo maro hafa. Izy ireo no namaritra indray ny refi-tanin’i Madagasikara, eny an-dranomasina. Raha ny fanazavana hatrany dia an’i Madagasikara ny 370Km miala ny sisin-tany, araka ny lalàna iraisam-pirenena ka izany no nojerena tao anatin’ity asa ity.
Isan’ny zava-dehibe azo tao anatin’izany ny nahazoan’i Madagasikara tombony hatramin’ny 90 000Km2, hoy hatrany ity Minisitra ity.
An’i Madagasikara ny Îles Eparses
Araka io asa famaritana ny fari-dranomasina io dia nanamarika sy nanamafy ny jeneraly Lylyson René de Rolland fa an’i Madagasikara ireo Nosy miisa 4 ao anatin’ny Îles Eparses. Ao anatin’izany ny Nosy Sambatra (Île Glorieuse) izay hita any amin’ny 168Km, miala ny sisin-tany, ny Juan de Nova, any amin’ny 119Km, ny Europa any amin’ny 295Km ary ny Bassas da India any amin’ny 389Km, izay nomarihiny fa i Madagasikara no akaiky azy noho ny Kaontinanta Afrikanina.
Isan’ny nohazavainy ihany koa fa tokony haverin’i France amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo, izay lasan’izy ireo nandritra ny fotoan’ny Fanjanahan-tany. Raha ny lalàna iraisam-pirenena izay, voafaritra tamin’ny « Résolution des Nations Unies » dia tokony haverina ireo Nosy, rehefa mahazo fahaleovan-tena ny firenena iray. « Ny fifampiraharahana hatao raha ny tokony ho izy dia ny mikasika ny fomba hamerenana ireo Nosy ireo fa tsy misy ankoatra izay intsony », hoy ity Minisitra ity. Namafisiny fa ara-dalàna sy ara-drariny dia an’i Madagasikara ireo Nosy ireo.


