Fanjifana : Ampy ny tahirin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro hiatrehana ny maitso ahitra
Anjaran’ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Haingotiana Andriamadison, indray no nanao tatitry ny asa vitany, tao anatin’izay roa volana izay, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, omaly.
Fotoan’ny orana, ampy ny tahiry
Isan’ny nivoitra nandritra ny fandalovany tao amin’ny TVM, ity, ny mikasika ny fanjifana ireo vokatra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro (PPN). Ao anatin’ny fotoan’ny maitso ahitra tanteraka ny eto Madagasikara, fotoana izay, maha betsaka ny sahirana, indrindra eo amin’ny lafiny fanjifana satria tsy misy ny vokatra azo amidy. Nanambara ity Minisitra ity, fa isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanovana tiana hapetraka ny fampisitrahana ny vahoaka Malagasy, entana tsara kalitao sy amin’ny vidiny mirary. Manoloana izany dia nanome toky ny tenany fa tsy misy hatahorana ny PPN, fa ampy tsara ny tahiry. Efa fotoana naharitraritra hoy izy no efa nitsinjovana ny fotoana toy izao, ary efa nisy ny fepetra noraisina ; mba tsy hisian’ny tsy fisiana na ny « pénurie ».
Nanamafy izy fa isan’ny mety hiteraka korontana ny tsy fisian’ny PPN, ka izany indrindra no nanaovana io famatsiana io, ho laharam-pahamehana, tao anatin’izay roa volana izay.
Harahi-maso ny kalitaon’ny entana sy ny vidiny
Etsy andanin’izany dia efa nanapa-kevitra ny Minisitera ny hanaparitaka ireo mpanara-maso entana toy ny « controleur » sy ny « commissaire ». Isan’ny tanjon’ny Minisitera mantsy ny hanome entana tsara kalitao, izany hoe tsy lany daty sy amin’ny vidiny mirary. Handraisana fepetra, hoy ny Minisitra, ireo mpandraharaha mbola minia mivarotra ireny entana efa ratsy ireny, sy ireo mpanararaotra. Nomarihiny fa hirosoana kosa ny fandorana, ireo entana efa simba.
Manana vina ny hanatsara hatrany ny sehatry ny fanjifana, ity Minisitera ity. Isan’izany ny fanomezana fahazoan-dalana hivarotra, ho an’ireo izay mahafeno ny fepetra ka mba hisian’ny fifaninanana. Ity farany ity, izay heverina hampihena ny vidin’entana, ho sitrahin’ny Malagasy. Raisina ho asa lehibe ihany koa ny fanaraha-maso ny fitaovam-pandanjana. Ho tombontsoan’ny Malagasy, mpanjifa rehetra izany, raha ny nomarihin’ity Minisitra ity.


