• Cours de change
  • 5294.82 AR
  • |
  • $4563.56 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Minisitra Ralitera Ny Ando Jurice : Voavaha ny olan’ny famokarana herinaratra fa mila hamafisina ny tambazotra

07/01/2026 14:39 © Moov

« Tsy misy olana intsony ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, indrindra eto Antananarivo », hoy ny Minisitra ny angovo sy akoran’afo, Ralitera Ny ando Jurice, omaly, tao amin’ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena.

Nanampy betsaka ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro

Roa volana izay no nandraisan’ity Minisitra ity ny toerany ary raha ny fanazavana nentiny dia efa misy ny vokatra azo tsapain-tanana mikasika ny fahatapahan-jiro lavareny. Nisy hoy hatrany izy ny fepetra noraisina mba hahafahana mamaha iny olana, isan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka iny. Tao anatin’izany ny fanohizana ny asa mikasika ireo « Centrale solaire » miisa 4 teto Analamanga dia ny eny Ambatomirahavavay, Ilafy, Mangatany ary Ampangabe. Nomarihin’ity Minisitra ity fa efa misy ampahany tafiditra amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny herinaratra vokarin’ireo. Amin’ny faran’ity volana janoary ity kosa, raha ny vinaviana no hampidirana ny 43.5MWc fanampiny. Rehefa tafiditra izany dia tokony tsy hisy intsony ny fahatapahana, ankoatra ny olana ara-teknika.
Ankoatra izay dia narenina ihany koa ny toerana mpamokatra herinaratra hafa toy ny avy amin’ny « centrale thermique ». Isan’izany ny CTA 2 eo Ambohimanambola. Efa mandeha ny fanamboarana ireo vondrona lehibe izay nisy olana. Amin’ny faran’ity volana janoary ity, ihany koa, hoy ny Minisitra dia tokony hiverina hamokatra 24MW izy io raha 20MW izy amin’izao fotoana izao.

Hatsaraina ny fitsinjarana

Rehefa nahitam-bahaolana ny mikasika ny famokarana herinaratra dia mila fanarenana ny mikasika ny fomba hitsinjarana azy ho an’ny isan-tokantrano. Nanazava ity Minisitra ity fa olana mila jerena ihany koa ny fitaterana ireny herinaratra ireny mankany amin’ny olona. Isan’ny vahaolana amin’izany ny tetika « Tana medium ring » izay hananganana « sous-station » miisa 11. Izany no hatao mba hampihenana ny fivangongoana herinaratra amin’ny toerana iray ka mety hanimba fitaovana sy mety tsy ahatafitany any amin’ny isan-tokantrano akory. Raha ny fanazavana dia efa maherin’ny 20 taona ny « sous-station » tanora indrindra, amin’izao fotoana ka efa mila fanampiana. Isan’ny vahaolana ihany koa ny fanorenana ireo « centrale solaire » isaky ny faritra. Izany rehetra izany, ihany koa moa raha ny tanjona dia ny hahazoan’ny olona rehetra herinaratra amin’ny fomba mora kokoa sy tsy mandany be loatra. Araka izany, nanamarika ny Minisitra fa azo vahaina tanteraka ny olan’ny herinaratra, saingy mbola misy ny asa maro miandry.

Lire la suite

Articles Similaires