• Cours de change
  • 5302.84 AR
  • |
  • $4570.87 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Vohitr’i Manjakamiadana : Trano miisa 7 nirodana, tokantrano 24 tsy manan-kialofana

07/01/2026 09:29 © Moov

Nampitondra takaitra olona maro ny rotsak’orana be teto Antananarivo, ny alatsinainy 5 sy talata 6 janoary teo. Raha ny tatitra avy amin’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) dia trano miisa 7 no nirodana.

Olona 72 tsy manan-kialofana

Vokatr’izany firodanana trano izany dia olona miisa 72 avy amin’ny tokantrano miisa 24 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Izany faharavana izany moa raha ny tatitra hatrany dia teny amin’ny Fokontany Ambavahadimitafo izay nahitana trano rava miisa roa ; ary tokantrano miisa 13 tsy manan-kialofana. Miisa 5 kosa no rava teny amin’ny Fokontany Miandrarivo izay ahitana fianakaviana miisa 11. Efa samy ampiantranoana amin’ny toerana azo antoka izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny sasany dia napetraka amin’ny trano lay avy amin’ny BNGRC raha eny amin’ny Tranom-pokonolona kosa ireo avy ao amin’ny Fokontany Miandrarivo.

Mitohy ny fanentanana ny hialana amin’ireny toerana ireny

Amin’izao fotoana izao moa dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo mponina ny amin’ny fialana amin’ireo trano marefo sy ireo efa antitra ka hatahorana hirodana. Raha io tatitra io hatrany mantsy dia trano miisa 6 eny amin’ny Fokontany Ambavahadimitafo no mbola ahiana hirodana. Etsy ankilany dia entanina ihany koa ireo mponina mipetraka amin’ny toerana ahiana hianjeran’ny vato na tany mba hifindra, amin’ny toerana azo antoka kokoa. Raha tsiahivina dia trano miisa 1 490 ireo tandindomin-doza ireo.
Mbola manamafy izany ihany koa ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hialana farany izay haingana amin’ireo trano ireo. Marihina moa fa efa voamarina fa faritra mena tanteraka iny eny amin’ny toerana avo iny amin’izao fotoana izao. Efa misy ireo olona no niala teny, raha mbola betsaka ihany koa anefa ireo mbola mijanona eny. Tsara ny manamarika fa mbola tsy tapitra ny vanim-potoan’ny fahavaratra. Noho izany dia mbola ahiana hatrany ny mety ho fihotsahana, izay mety hitera-doza ho an’ireo trano sy ireo toerana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires