• Cours de change
  • 5303.68 AR
  • |
  • $4575.39 AR
Copyright Image : © Mttm
Image
Vaovao

Aretina Mpox : Nametrahana fepetra isan-karazany ny fiara fitateram-bahoaka mivoaka sy miditra an’i Mahajanga

01/01/2026 08:28 © Moov

Araka ny efa voamarina dia efa ahitana trangana nendran-drajako ao Mahajanga amin’izao fotoana izao. Mba hamerana ny fiparitahany dia nandraisana fepetra isan-karazany ny fitaterana an-tanety ao Mahajanga.

Fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy atao

Aretina mora mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana ity aretina ity. Raha ny fanazavana avy amin’ny Talen’ny fisorohana ara-pahasalamana, ny Dr RakotoariminoAndrianina Desiré, dia ezahina ho fehezina io aretina io ao Mahajanga, izay toerana nahitana azy voalohany teto Madagasikara. Hahafahana manatanteraka izany dia noraisina ny fepetra ara-pahasalamana isan-karazany, amin’ireo fiara fitateram-bahoaka, mba tsy hiparitahany betsaka, amin’ny faritra hafa.
Hatao fitiliana avokoa ireo mpandeha rehetra, mialoha ny hiaingany eo amin’ny Tobim-piantsonana Aranta Mahajanga. Hametrahana « barrage sanitaire » ihany koa, eo Belobaka, ho an’ireo fiara tsy miainga any amin’ny Tobim-piantsonana. Nohamafisina ihany koa ireo fepetra sakana izay efa nampiasaina nandritra ny valan’aretina Covid-19. Isan’izany ny fanasana tanana matetika sy ny fanaovana aro vava.
Etsy ankilany dia ho fendrahana fanafody avokoa ireo fiara rehetra, avy any Mahajanga, miditra eo amin’ny Tobim-piantsonana Maki, na andro na alina.

Fanamafisana ny serasera

Mba hialana ihany koa amin’ny mety ho fiasan-tsain’ireo mpandeha dia nohamafisina ihany koa ny lafiny serasera. Namafisina ny fametrahana ny afisy sy ny fandefasana fanentanana amin’ny radio sy ny fahitalavitra. Atao manakaiky ireo mpandeha ihany koa anefa ireo fitaovana samihafa hahafahana manasa tanana, amin’ny rano sy ny savony. Nentanina ny fampiasana ny « gel hydroalcoolique ».
Ho an’ireo Tobim-piantsonana roa samihafa ireo dia samy nentanina avokoa fa tokony ho fenoina avokoa ny « manifold des passagers », izay handraisana ny mombamomba ireo mpandeha rehetra.
Raha ny antontan’isa farany moa dia olona miisa 16 no efa ahiahiana ho mitondra ny tsimok’aretina ao Mahajanga. Nanazava ny Talen’ny fisorohana ara-pahasalamana fa mety efa ahitana azy ihany koa ny faritra hafa, izay ilaina ny fahamailoan’ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires