• Cours de change
  • 5303.68 AR
  • |
  • $4575.39 AR
Copyright Image : © Oms/Katson Maliro
Image
Vaovao

Mpox (Nendran-drajako) : Maherin’ny 40.000 ny trangan’aretina voamarina aty Afrika

31/12/2025 07:57 © Moov.Mg

Nahitana trangan'aretina Mpox, izay nantsoina taloha hoe : "variole du singe", na nendran-drajako, tany Mahajanga, araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly 30 desambra 2025.

Tranga mpox miisa 5 tany Mahajanga

Tao amin’ny Fokontany Ambovoalanana, Distrikan’i Mahajanga voalohany, Faritra Boeny, no nahitana trangan’aretina Mpox miisa 5, araka ny fampitam-baovao. Efa tamin’ny herinandro lasa teo no niahiahy ny amin’ny nahatafidiran’ity valanaretina ity teto Madagasikara ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Dr Managna Monira. Nivoaka ny 29 desambra lasa teo ny valin’ny fitiliana nataon’ireo laboratoara roa, dia ny Laboratoire des analyses médicales de Madagascar (LA2M) sy ny Institut Pasteur de Madagascar. Voamarina tamin’izany fa tena mpox tokoa no nahazo ireo olona ireo.

Manoloana izany, araka ny fanambarana, dia efa nisy ny fepetra sy ny paikady napetraky ny fitondram-panjakana. Isan’izany ny fanavaozana ny drafitra « Plan National de Contingence » sy ny famolavolana ny « Plan de riposte » hiatrehana ity valanaretina ity. Any Mahajanga manokana dia hatsangana ny ivon-toerana fandraisana vonjy taitra ara-pahasalamam-bahoaka (COUSP – Centre Opérationnel d’Urgence en Santé Publique). Hisy ihany koa ny hetsika fikarohana ireo tranga mety misy. Ireo efa fantatra fa voan’ny aretina dia efa natokan-toerana ary efa raisina an-tanana ny fitsaboana azy ireo. Etsy an-daniny, hamafisin’ny fitondram-panjakana ny fanaraha-maso eny amin’ny sisin-tany rehetra izay hahafahana miditra eto Madagasikara. Tahaka izany koa ny fanaraha-maso eny anivon’ny fiarahamonina.

Bontsimbontsina amin’ny vatana

Raha tsiahivina dia tamin’ny volana mey 2022 no namoaka voalohany ny tatitra momba ny fisian’ny areti-mifindra mpox ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Ny volana aogositra, tamin’io taona io ihany, no nahiana voalohany ny mety hahatafidiran’ny mpox teto Madagasikara, rehefa nahitana tranga tao amin’ny Nosy Maorisy. Aty amin’ny fiafaran’ny taona 2025 izany vao tena misy ny tranga voamarina eto amintsika. Araka ny tatitra farany navoakan’ny OMS, tatitra faha-61 momba ny valanaretina mpox nivoaka tamin’ny datin’ny 22 desambra 2025, dia miisa 43.522 ny trangan’aretina voamarina aty Afrika, teo anelanelan’ny 1 janoary hatramin’ny 14 desambra 2025. 197 kosa no isan’ny namoy ny ainy vokatr’ity aretina ity. Firenena 28 aty Afrika no nahazoana ireo tarehimarika ireo. Ny Repoblika demôkratikan’i Congo, Guinée, Libéria, Kenya ary Ghana no tena voakasik’ity aretina ity.

Miseho amin’ny alalan’ny bontsimbontsina hita amin’ny tarehy, ny felan-tanana, ny faladia, ary mihanaka amin'ny vatana ny aretina, araka ny notsiahivin’ny Dr Managna Monira. Aretina tsy mahamenatra, azo sorohina ary azo tsaboina tsara izy io, hoy hatrany izy, ka tokony manatona toeram-pitsaboana avy hatrany raha mitranga ireo soritr’aretina ireo. Mifindra amin'ny fifampikasohana akaiky amin'ny marary sy amin'ny firaisana ara-nofo mantsy ity aretina ity. Noho izany indrindra dia nanentana ny amin’ny tokony hiverenan’ny rehetra amin’ny fanajana ireo fihetsika sakana, toy ny tamin’ny fotoanan’ny covid-19, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy aretina vaovao akory anefa ny mpox, fa efa tamin'ny taona 1958 no nahitana azy tamin'ny gidro taty amin'ny faritr'i Afrika. Tamin'ny taona 1970 kosa no nahitana voalohany ny trangana fifindran'ny aretina teo amin'ny olombelona.

Lire la suite

Articles Similaires