Andiam-balala : Efa manomboka ny ady an-tanety, any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara
Distrika maromaro any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny no efa ahitana andiam-balala amin’izao fotoana izao. Efa miatrika ny asa famonoana izany ny eo anivon’ny Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM), izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Vonona hiatrika ny ady amin’ny valala ny IFVM
Ny 22 desambra lasa teo no tonga tany amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ny fanafody famonoana valala (téflubenzuron) mifatra 50 000 litatra, izay nafarana tany ivelany ary natao hamonoana ireo kijeja na zana-balala. Naparitaka avy hatrany tany amin’ireo toerana efa ahitana an’ireo kijeja, ireo fanafody ireo. Distrika maro any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara iny tokoa mantsy no efa ahitana andiam-balala amin’izao fotoana izao, toy ny any amin’ny Distrikan’Ambalavao, Ihosy ary Betroka.
Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny IFVM dia efa voaomana avokoa, na ny ho enti-manana ara-bola, na ny ara-pitaovana ary indrindra ihany koa ny ara-teknika, ho an’ity taom-piadiana 2025-2026 ity. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa maharitra efa-taona, 2024-2028 izany, izay tohanan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Efa natomboka tamin’ny volana novambra lasa teo ny ady amin’ny valala ary efa nandefasana fanafody famonoana valala avokoa ireo toerana efa nahitana andiam-balala, mba hisorohana ny fiparitahany.
Famonoana ny atodim-balala sy ny kijeja
Tanjona ny hamehezana ny andiam-balala amin’ny alalan’ny famonoana ny atodim-balala sy ny kijeja vao foy, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina. Misy paikady apetraka, araka ny nambarany hatrany. Eo aloha ny ady an-tanety, izay efa natomboka tamin’ny volana novambra, tanterahina any amin’ny Faritra Ihorombe, any amin’ny Distrikan’Ambalavao, ary any amin’ny Faritra Anosy sy Androy. Hanomboka amin’ny volana janoary kosa dia hojerena avy eny an’habakabaka ny fizotran’ny fiitaran’ilay ady amin’ny valala, ka amin’izany no hahitana ireo toerana ahiana ho lasibatra, sy handraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny fanatevenana ny ady atao, ny fampitomboana ny fitaovana sy ny fanafody..., hoy hatrany ny fanazavan’ny minisitra.
Nanao antso avo moa ity farany, ny amin’ny tokony hifanomezan’ny rehetra tanana. Ilaina, hoy izy, ny fampahafantarana amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, rehefa misy toerana ahitana andiam-balala, mba hahafahana mifehy izany tsy hiitatra. Notsiahiviny ihany koa fa tsy azo atao ny mihinana ireo valala efa voatondraka fanafody, satria mety hankarary na hahafaty mihitsy izy ireny.


