Savony vita amin'ny Vahona : Manadio tarehy, Manala angadrano amin'ny volo !
Mahasoa tokoa ny fampiasana vokatra tsy misy akora simika. Anisan'izany ny savony vita amin'ny vahona, natao ho an'ny tarehy sy ny volo.
Marobe ireo vokatra fikarakarana volo sy tarehy miparitaka etsy sy eroa. Tsy voatery ho mety amin'ny rehetra nefa izy ireny, na dia vokarin'orinasa matihanina aza. Atoro anao àry ny fanamboarana savony vita amin'ny vahona, tsy hatahorana hisy fiantraikany ratsy. Raha hanasana tarehy, mampalefaka hoditra sy manala tasy ny savony vahona. Raha hanasana loha kosa, manala loto sy angadrano izany savony izany.
Fikarakarana tsotra
Fahita eny amin'ireo mpivarotra tapak'hazo eny ny ravina vahona. Lehibe tokoa izy io ka hahazoana ditiny betsaka. Raviny iray ihany dia hahazoana savony lehibe. Roa ihany ny zavatra ilaina, dia vahona vaventy iray sy savony nosy kely iray. Raha madinika ny vahona ampiasaina, mila raviny 10 farafahakeliny.
Ireto àry ny dingana arahina :
-Sokafana ny ravina vahona efa voasasa tsara
-Kikisana tsara mba hahazoana ny ditiny
-Atao ambony afo malefaka ny savony nosy
-Aroharohina tsy mijanona mandra-pahaleminy, tsy avela hiraikitra
-Rehefa malemy tsara dia arotsaka ao anatiny ny ranon’ny vahona
-Kapohana na afangaro tsara mandra-pahazo fangaro marihitra tsara
-Atao anaty "moule" kely arakaraka ny endrika tiana ho azo
-Avela ho maina 2 hatramin’ny 3 andro
Rehefa avy ampiasaina ny savony dia avela maina tsara. Iray hatramin'ny roa volana no azo hitehirizana azy.


