• Cours de change
  • 5170.28 AR
  • |
  • $4492.08 AR
Copyright Image : © Meilleurtaux
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fetin’ny farany taona : torohevitra tsy hidirana trosa amin’ny voalohan’ny taona

12/12/2025 12:44 © Moov.Mg

Maro tokoa ny ankohonana sahirana ara-bola rehefa voalohan’ny taona noho ny tsy fahaizana nitantana ny vola am-pelatanana nandritra ny fety. Azo atao tsara nefa ny misoroka izany rehefa hay ny mifehy ny fandaniana. Araho eto ary ireo torohevitra manampy hitantanana ny fandaniana faran’ny taona mba tsy hidirana trosa amin’ny voalohan’ny taona.

Fetin’ny farany taona : ireo fahadisoana mila fadiana

Maro ireo fahadisoana amin’ny fitantanana ny vola mandritra ny faran’ny taona ka mitarika amin’ny fahasahiranana ara-bola sy trosa rehefa voalohan’ny taona. Anisan’ireo mila tandremana sy fadiana ary ny :
-Tsy fanaovana tetibola. Raha tsy faritana mazava ny vola miditra mandritra ny desambra sy ireo fandaniana « fixes » mila hefaina ny mandritra io volana io sy ny janoary dia mety hihoatra ny vola laniana mandritra ny fety ;
-Miantsena ankatoky ny fety. Fahadisoana mampitombo ny fandaniana rehefa faran’ny taona ny fiantsenana ankatoky ny fety. Miakatra avokoa ny vidin-javatra rehetra, na ny fitafy, kiraro, kilalao, kojakoja samihafa, sakafo… ;
-Mividy zavatra tsy ampiheverana. Mahita zavatra tsara na mora tampoka dia mividy nefa tsy tafiditra anatin’ireo zavatra tena ilaina ;
-Mirobaroba amin’ny tsena (sakafo, fitafy, kojakoja hanaingoana ny trano…) ;
-Manadino mampiditra ny saran-dalana na lasantsy amin’ny fivezivezena samihafa.
-Midi-trosa hanaovana fety.

Ireo torohevitra hitantanana ny vola faran’ny taona

Ny fahaizana mitantantana ny vola mandritra ny faran’ny taona dia manampy amin’ny fisorohana ny fahasahiranana sy ny trosa rehefa voalohan’ny taona. Anisan’ireo torohevitra manampy ary ny :
-Famaritana tetibola mazava ary hajaina tsara izany. Tsinjaraina avokoa ireo fandaniana rehetra manomboka desambra hatramin’ny faran’ny volana janoary. Izay ambim-bola misy no atao ampy hangalana hanaovana ny fety sy ireo adidy samihafa rehefa voalohan’ny taona ;
-Fantarina ny sakafo karakaraina ho an’ny fety. Atao mialoha ny lisitr’ireo akora rehetra. Eny amin’ireny tsenam-pokontany ireny no miantsena ny legioma, hena, trondro… ;
-Atomboka mialoha ireo tsena (fitafy, kiraro, kilalao…) mba tsy ho tratry ny vidiny lafo rehefa ankatoky ny fety ;
-Fadiana ny mitrosa. Aleo ahena arak’izay vola eo am-pelatanana ny fandaniana mandritra ny faran’ny taona toy izay miditra trosa.

Lire la suite

Articles Similaires