Tevidoha mandritra ny fitondrana vohoka : ‘ndeha ho resahana !
Toe-javatra mety mitranga mandritra ny fitondrana vohoka ny hoe lasa mandeha rà orona ilay vehivavy. Mety manaitra sy mampitebiteby io tranga io nefa amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana izy io. Fa inona ary ny antony mampandeha tevidoha ny bevohoka ? Ahoana no atao hampijanonana izany ? Inona no fisorohana azo atao ? Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Inona no mahatonga ny bevohoka mandeha tevidoha ?
Maro ireo fiovana mitranga eo amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ihany koa etsy andaniny ireo lafin-javatra mifangaro izay mahatonga ireo lalandrà ao amin’ny orona lasa marefo sy mahatonga ny bevohoka mora mandeha tevidoha :
Fitomboan’ny habetsahan’ny rà
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo be ny habetsahan’ny rà mikorina ao amin’ny vatan’ny vehivavy mba hanohanana ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka. Izany moa dia manamafy ny « pression » ao amin’ireo lalandrà, ka anisan’izany ny lalandrà ao amin’ny orona izay tena manify sy mora vaky.
Fiovaovan’ny hormonina
Ny fiakaran’ny hormonina mandritra ny vohoka, indrindra ny « oestrogènes » sy ny « progestérone », dia mampihitatra ny lalandrà manerana ny vatana ka anatin’izany ireo lalandrà ao anatin’ny « muqueuse nasale ». Lasa somary mivonto io « muqueuse » io ary ber à kokoa ka lasa mora mandeha tevidoha.
Jenjina ny orona (rhinite de grossesse)
Maro ny bevohoka no manao « rhinite de grossesse », izany hoe jenjina matetika ny orona nefa sady tsy misy « allergies » no tsy hoe voan’ny sery na gripa. Io « inflammation » io sy ny fanisinana orona matetika dia mety mitarika « irritation » eo amin’ny « muqeuse » ny orona ary mampandeha rà izany.
Ahoana no atao hampijanonana ny tevidoha ?
Raha mandeha rà orona na mandeha tevidoha mandritra ny fitondrana vohoka dia misy ireo fihetsika tsotra azo atao hampijanona izany malaky :
-Maka toerana tsara dia mipetraka ;
-Somary aondrika kely ny loha dia ketohana amin’ny rantsan-tanana roa ny orona mandritra ny 10 mn ny faritra malemilemy ambonin’ny lavak’orona. Miaina amin’ny vava ary tsy avotsotra alohan’io fe-potoana io ireo rantsan-tanana manjary tsy miato ilay tevidoha ;
-Asiana zavatra mangatsiaka, toy ny « glaçon », eo amin’ny tetezan-korina na eo amin’ny hatoka mba hanampy amin’ny fanaterena ny lalandrà ao amin’ny orona.
Rehefa inona no mila manantona mpitsabo ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia tokony misy atahorana loatra ny tevidoha mandritra ny fitondrana vohoka. Mila manantona mpitsabo na mandeha any amin’ny toeram-pitsaboana kosa raha toa ka :
-Tsy mijanona ao anatin’ny 20 mn taorian’ny fiketohana ny orona ilay tevidoha ;
-Matetika be ilay tevidoha ary be dia be ny rà very ;
-Mahatsiaro tena malemilemy, fanimpanina na tsy avy miaina.
Raha toa ny tevidoha eo amin’ny bevohoka ka miseho miaraka amin’ny soritr’aretina hafa, toy ny hoe marary andoha be, manjavozavo ny fahitana, na miakatra ny tosidrà dia mety ho fambarana « hypertension artérielle de grossesse » izany.


