• Cours de change
  • 5072.07 AR
  • |
  • $4466.94 AR
Copyright Image : © Wikikou
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fofona ratsy ao an-trano : Ahoana no analàna izany ?

21/11/2025 06:02 © Moov

Tsy vitsy ireo fianakaviana maheno fofona hafahafa ao an-trano, indrindra amin'izao fahavaratra izao. Toa madio tsara ihany ao an-trano nefa misy fofona tsy mahatamana na manepotra mihitsy.

Tsy vahaolana ny "manimanitra"

Marobe ireo mihazakazaka mividy "désodorisant" rehefa maheno fofona hafahafa ao an-trano. Tsy vahaolana nefa izy ireny raha toa ka tsy fantatra izay tena iavian'ny fofona. Noho izany, ilaina tokoa ny miezaka mahafantatra ny mahatonga ny fofona : trano mandomando, trano mihiboka, rano miangona manodidina ny trano, lalan-drano mila fanadiovana, karazan-tsakafo tehirizina anaty "garde-manger", sns.

Atao azon-drivotra ny trano

Tsy vitsy ireo trano tsy misy olona mandritra ny tontolo andro, noho ny asa aman-draharaha. Raha toa ka tsy maintsy hidiana avokoa ny varavarankely sy ny varavarambe amin'ny ora fiasàna, tsara raha mifoha maraimbe. Atao izay idiran'ny rivotra ao an-trano, mandritra ny ora roa isan'andro farafahakeliny.
Rehefa hanidy trano dia tsy atao maizina ny trano : "rideau voile" no velarina fa tsy "rideau lourd", mba hiditra ao an-trano ny hazavana.

Mitandro ny fahadiovana

Antony maro no mahatonga ny fofona ratsy ao an-trano. Mety fofona maro mitambatambatra no manempotra amin'izany. Tsara àry raha trano madio hatrany no ilaozana sy vantanina : sasana ny vilany & vilia, ampirimina amin'ny toerany ny sakafo, ariana ny fako, sns. Raha misy hani-masaka ny fako dia mila avoaka ny trano eo no ho eo. Marihana ihany koa fa tsy tokony hanahazan-damba ao an-trano.
Rehefa manadio dia amporisihina ny mampiasa vinaigitra fotsy na karibonetra, izay sady manala loto no manala fofona. Rehefa madio tsara sy voavaha ny olana mahatonga ny fofona, azo ampiasaina tsara ny karazana fangaro manimanitra mahatamana ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires