• Cours de change
  • 5130.94 AR
  • |
  • $4482.15 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahalalana Ankapobeny

Tain-kafe : afaka manala ny tsentsina amin’ny fantsona ao an-dakozia

05/11/2025 09:23 © Moov.Mg

Akora natoraly isan’ireo manampy amin’ny fanadiovana isan-karazany ao an-tokantrano ny tain-kafe. Azo ampiasaina hanadiovana na hanesorana ny tsentsina ao amin’ny fantsona ao an-dakozia izy io. Araho eto ny mikasik’izany sy ny fomba fampiasana azy.

Inona no ilaina ny tain-kafe hikoloana ny fantsona ao an-dakozia ?

Ny fantsona mitondra ireo rano avy nampiasaina ao amin’ny fanasana lovia ao an-dakozia dia isan’ny mora tsentsina tokoa. Ny ambin-tsakafo mety ho latsaka ao, ny menaka mandry… dia mety hiangona ao amin’ireo fantsona ka mahatonga ny rano avy nampiasana tsy hikoriana araka ny tokony ho izy. Vahaolana manampy hikoloana ny fantsona ao an-dakozia ny tain-kafe noho izy :

Manampy amin’ny fanadiovana ny ao anatin’ny fantsona

Manana fiasa manala ny menaka na « dégraissant » ny tain-kafe. Azo ampiasaina tsara izy io hanesorana ny menaka na tavy miraikitra ao anatin’ny fantsona ao an-dakozia izy io.

Manampy amin’ny fanalana ny fofona ratsy

Toy ny karibonetra, ny vinaigitra fotsy na ny ranona voasary makirana dia manana fomba fiasa « désodorisant » natoraly ny tain-kafe. Raha maheno fofona ratsy mivoaka avy any amin’ireo fantsona ao an-dakozia dia azo atao tsara ny mampiasa tain-kafe hanesorana izany fofona izany.

Manala ny tsentsina amin’ny fantson’ny « évier » na fanasana lovia

Isan’ireo olana matetika fahita eo amin’ny « évier » ao an-dakozia ny hoe miadana kely ny fivoahan’ny rano miangona ao anatiny, mitsingevana ny ambina sakafo eo amin’ny fanasana lovia, misy fofona ratsy mivoaka… Mba hisorohana ny fahatsentsenan’ny fantsona ao an-dakozia sy ny fanasana lovia dia tsara ny mampiasa tain-kafe. Mila hay tsara kosa nefa ny fampiasana azy.

Ahoana ny fampiasana ny tain-kafe hanadiovana ny fantsona ao an-dakozia ?

Mora mitazona menaka ny tain-kafe. Noho io antony io dia tsy azo ampiasaina be loatra na matetika loatra izy io amin’ny fanadiovana na fanalana ny tsentsina ao anatin’ireo fantsona ao an-dakozia. Mila fitandremana arak’izany ny fampiasana azy :
-Tsy afaka hanesorana ny atsentsina (bouchons) lehibe loatra anatin’ny fantsona ny tain-kafe. Mety kosa nefa izy io raha toa ka hita fa mivoaka miadana ny rano miangona eo amin’ny fanasana lovia (évier). Afaka manampy hisorohana ny atsentsina mety hiforina ihany koa izy io.
-Tandremana ihany koa mba tsy hatao be loatra ny tain-kafe alefa anatin’ny fantsona ao an-dakozia. Iray na roa sotro fihinanana ihany dia ampy. Arahana rano mamay avy hatrany izy ireo mba hanadio ireo mety hanentsinentsina ao anatin’ny fantsona. Rano mamay 1 litatra no ampiasaina. Tsy atao mangotraka be loatra satria mety hanimba ireo fantsona plastika izany.

Lire la suite

Articles Similaires