• Cours de change
  • 5130.94 AR
  • |
  • $4482.15 AR
Copyright Image : © So Busy Girls
Image
Fahalalana Ankapobeny

Lokom-bolo mora lefy : ireo fihetsika mila tandremana hisorohana izany

04/11/2025 11:53 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mahakivy sy mahadiso fanantanenana ny mahita ny lokom-bolo mora afaka na mora vasoka. Ankoatra ny fisafidianana tsara ny karazana lokom-bolo ampiasaina dia misy ihany koa ireo fihetsika na fahazarana mila tandremana mba tsy hahamora lefy na miova ny lokom-bolo. Araho ary ny santionany amin’izany.

Manakobana ny volo miloko amin’ny rano mafana

Fahazarana fanaon’ny maro ny manasa loha amin’ny rano mafana be. Heverina fa manampy betsaka amin’ny fanesorana ireo loto miangona ao amin’ny volo sy ny hodi-doha moa izany. Rehefa avy mandoko volo nefa dia tsy tsara ny manasa loha amin’ny rano mafana, indrindra rehefa manakobana ny volo.
Ny rano mafana be dia mampisokatra ny « écailles » ny volo ary mampiala ny « pigments » sy ny vokatra miaro ny volo. Lasa mihalefy sy toy ny vasoka ny lokom-bolo. Ny fanakobanana ny volo amin’ny rano matimaty dia manakatona ireo « écailles », mitazona kokoa ireo « pigments » ary mampangirana ny volo. Mba hahazoana vokatra tsara dia kobanina farany amin’ny rano mangatsiaka ny tahom-bolo. Maharitra herinandro na volana maro tsy miova ny lokom-bolo rehefa mahavatra tsara.

Fadiana ny mampiasa « shampoings agressifs »

Maro ireo karazana « shampoings » mampanantena vokatra tsara maro ho an’ny volo, toy ny hoe manadio tsara, mitsabo ny vakivaky, mampalandina ny volo… Matetika nefa izy ireny dia mitahiry singa mahery izay mety hanala ny lokom-bolo. Raha manadio be loatra izy ireny dia mety hanala ny « sébum protecteur », hamparefo ny volo sy ny hodi-doha ary hahamora lefy ny lokom-bolo.
Ny tsara dia aleo mampiasa « shampoing » malefaka, tsy misy « sulfate », manana « pH neutre », indrindra mandritra ireo herinandro voalohany aorian’ny nandokoana volo. Ankoatra izay dia tsara raha elanelanina araka ny azo atao ny fotoana fanasana loha mba hampaharitra ela kokoa ny lokom-bolo.

Tandremana tsara ny fampiasana ny mena-bolo aorian’ny nandokoana volo

Maro tokoa ny mihevitra fa mampalefaka sy manamandina ny volo avy nolokoina ny fampiasana mena-bolo, indrindra ireo menaka zavamaniry manome sakafo ny volo. Marihana nefa fa tsy arak’izany ny zavatra mety hitranga raha toa ka mampiasa ireny karazana menaka ireny andro vitsy aorian’ny nandokoana volo.
Ny menaka zavamaniry dia mety manavesatra ny tahom-bolo ka mety mampisosa fotsiny ny « pigments » vao nipetaka teo aminy ka lasa mampilefy vetivety ny lokom-bolo. Tsara arak’izany raha miandry 7 hatramin’ny 10 andro aorian’ny nandokoana volo vao mampiasa ireny mena-bolo azo avy amin’ny zavamaniry ireny.

Lire la suite

Articles Similaires