Savorovoro tany Antsiranana : Hanao fifanarahana ny mpianatry ny oniversite sy ny mponina ao Lazaret
Nitrangana savorovoro tany amin’ny Oniversiten’Antsiranana, izay nitarika fahafatesan’olona iray. Ny tsy fifanarahana momba ny fanesorana ireo mpampianatra sy mpandraharaha monina ao amin’ny tranon'ny oniversite onenan'izy ireo no fototry ny olana, araka ny loharanom-baovao.
Savorovoro nahafatesan’olona
Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny sabotsy 1 novambra 2025, no niantombohan’ny savorovoro tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Nidiran'ny andian-tanora mahery fihetsika, antsoina hoe : « foroche » ny olana momba ny fanesorana ireo mpandraharaha amin’ny tranon’ny oniversite, ka nampiitatra azy. Nahatonga fahafatesana tanora iray sy naharatrana olona maromaro ity tranga ity.
Taorian’ny zava-nitranga dia nandeha nankany Antsiranana ny solontenan’ny Filàn-kevitry ny Fanavaozana ny Repoblika, notarihin’ny kolonely Rabearimanana Lucien. Niaraka taminy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy ; ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Managna Monira ; ary ny manam-pahefana any an-toerana, toy ny Prefen’Antsiranana Tsirinary Jahdà Hermine, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny Faritanin’Antsiranana Afakandro Christian ; ny sekretera jeneralin’ny Faritra DIANA, sy ny Lehiben’ny Distrika Antsiranana II.
Fepetra sy vahaolana
Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, nandritra ny fidinana tany an-toerana, fa an-dalam-pamolavolana vahaolana ny ministera amin’ny olana atrehin’ny mpianatra. Tafiditra amin’izany ny fanavaozana ny trano fonenana sy ny fametrahana vahaolana maharitra amin’ny herinaratra sy ny rano. Voalaza fa efa eo andalam-pisafidianana ny orinasa hanatanteraka ny asa fanarenana ary hirosoana haingana ny fametrahana “panneaux solaires” 20 MW sy ny “forage” ho famatsiana rano. Mikasika ny vatsim-pianarana tsy mbola nivoaka, dia nilaza ny minisitra fa vinavinaina havoaka afaka telo herinandro vatsim-pianarana roa volana.
Noho ny tsy fandriam-pahalemana nitranga, dia namafisina ny fisian’ny mpitandro filaminana manodidina ny Oniversiten’Antsiranana. Napetraka ihany koa ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, ao amin’ny Fokontany Lazaret Nord, Lazaret Sud, ary ny manodidina ny faritry ny oniversite. Ity fepetra ity dia natomboka omaly alahady 2 novambra 2025. Araka ny tatitra avy amin’ireo manam-pahefana, dia efa milamina ny toe-draharaha any amin’ny Oniversiten’Antsiranana ankehitriny, ary mitohy ny asa fanarenana sy ny fepetra hiantohana ny fandriampahalemana maharitra.
Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny prefektioean’Antsiranana dia hisy ny fifanarahana hataon'ireo mponina ao Lazaret sy ny mpianatry ny oniversite androany, ho fanamafisana ny fihavanana.


