17 oktobra : Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana
Ankalazaina isaky ny 17 oktobra ny "Journée mondiale du refus de la misère", adika malalaka hoe "Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana".
Na dia tsy misy fankalazana ofisialy aza ny "Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana" eto Madagasikara, tsy azo lavina fa mahakasika ny firenentsika izany. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, "Macro poverty outlook", tamin'ny oktobra 2024, maherin'ny 69% ny tahan'ny fahantrana ho an'i Madagasikara. Efa nisy fihatsarana nefa ny fiainan'ny mponina teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2021, izay nahitana taham-pahantrana 76% nidina hatramin'ny 67%. Niverina niakatra izany ny taham-pahantrana.
Fankalazana mitsinjo aina
Ny "Nations Unions" (Firenena Mikambana) no nametraka ny 17 oktobra ho "Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana". Efa nekena ara-panjakana tamin'ny taona 1992 izy io ary ankalazaina isan-taona amin'ny 17 Oktobra. Ny tanjon'ity andro ity dia ny hampandrenesana ny feon'ireo olona miaina ao anatin'ny fahantrana sy ny hampiray ny olom-pirenena sy ireo tompon'andraikitry ny politika mba handray andraikitra amin'ny ady amin'ny fanilikilihana. Amin'ity taona 2025, mifantoka amin'ny fanajana sy fanohanana sahaza ny fianakaviana.
Noho ny tsy fahampiam-bola amin'ny andavan'andro, misedra olana maro ireo olona voakasiky ny fahatrana, toy ny fihafihana amin'ny asa tsy manara-penitra, trano fonenana mampidi-doza, tsy fahampian-tsakafo mahasalama. Eo ihany koa ny tsy fitoviana amin'ny fidirana amin'ny fitsarana, tsy fandraisana anjara amin'ny raharaham-pirenena ary tsy fahafahana miditra amin'ny fitsaboana.
Ireo teboka telo lehibe
-Fampahatsiahivana: Ity "Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana" dia mikendry ny hampahafantatra ny besinimaro momba ny zava-misy amin'ny fahantrana sy hanentanana hetsika mazava mba hamahana izany.
-Firaisankina: Manentana ny firaisankina eo amin'ny olona avy amin'ny fiaviana sy finoana rehetra izy mba hiady hiaraka amin'ny fahantrana.
-Zo mahaolona: Ny "Andro erantany ho an'ny famongorana ny Fahantrana" dia mampahatsiahy fa ny fahantrana dia fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary tena ilaina ny miantoka ho an'ny tsirairay ny fiainana mendrika.