Ireo fitaovana hahafahana mametra ny « temps d’écran » ny ankizy
Efa noresahana ombieny ombieny ny vokadratsin’ny fampiasan’ny ankizy « écran » be loatra. Mba hiarovana ny zanantsika amin’izany dia efa misy ireo vahaolana samihafa, toy ny « contrôle parental », ahafahana mametra ny fotoana hampiasan’ny ankizy ny fitaovana misy « écran », toy ny finday, solosaina, tabelette, fahitalavitra… Araho eto ny mikasika izany.
Inona no ilaina ny « contrôle parental » ?
Ny « contrôle parental » dia natao hametrahana fitsipika amin’ny fampiasan’ny ankizy ireo fitaovana misy « écran ». Izany dia mba hahafahan’ny ray aman-dreny mifehy ny « temps d’écran » ny zanany amin’ny alalan’ny fametrahana ora voafetra amin’ny fampiasan’ireto farany ny finday, solosaina, tablette… Ny « contrôle parental » ihany koa dia afahana manaramaso sy manakana ny fijeren’ny ankizy sary na sarimehitsa maherisetra na koa mamoafady. Marihana fa fitaovana fanampiny fotsiny ihany ny « contrôle parental » fa tsy mahasolo ny fanarahamaso ataon’ny ray aman-dreny, indrindra mandritra ny fotoana fampiasana na fijeren’ny ankizy « écran ».
Ahoana ny hisafidianana ny « contrôle parental » ampiasaina ?
Maro ireo karazana « sites en ligne » ahafahana mampiditra « contrôle parental » ao amin’ny findain’ny ray aman-dreny. Misy amin’izy ireny no andoavam-bola fa misy ihany koa ireo maimaim-poana nefa azo antoka tsara. Anisan’ireo azo ampiasaina ohatra ny « application » :
Family Link ho an’ireo mampiasa Android na Chrome OS. Izy ity dia afaka hamerana ny fotoana ahafahan’ny ankizy mampiasa na mijery ny finday, tablette na solosaina isan’andro. Afaka mamaritra mampiato ny fampiasana ilay fitaovana misy « écran » avy lavitra ihany koa izy io ary mifehy ny fampidiran’ny ankizy « application » anatin’ny finday na tablette. Izany hoe misy « notifications » fierana tonga any amin’ny ray aman-dreny manao ilay « contrôle parental » isaky ny mitady ampiditra « application » vaovao ny zanany ka hazony atao ny manaiky na mandà ny fampidirana izany.
Temps d’écran ho an’ireo mampiasa vokatra Apple. Tsy mila ampidirina ity « contrôle parental » ity fa efa ao anatin’ny finday na solosaina Mac. Izy io dia ahafahana mametra ny fotoana fampiasan’ny ankizy ny fitaovana misy « écran » sy ny « applications » manokana. Afaka mamaritra ny « temps d’arrêt » an’ilay fitaovana ihany koa izy io ary manara maso ny zavatra jerena na ampidirin’ny ankizy ao anatin’ity farany.
Ny fomba fampiharana ny « contrôle parental »
Na dia mampiasa « contrôle parental » aza ny ray aman-dreny dia mety ho sarotra hatrany ny mifehy ny « temps d’écran » ny ankizy. Ny tokony atao dia ny mampihena ny fotoana hijereny sy hampiasain’izy ireo ny fitaovana misy « écran » :
-Tsy mahazo mampiasa ireo fitaovana ireo rehefa maraina alohan’ny hianatra mba tsy hanakorontana ny fifantohana any am-pianarana ;
-Tsy mijery na mampiasa « écran » eo am-pisakafoanana mba hanatsarana ny fifandraisana sy ny fifampiresahan’ny mpianakavy ;
-Tsy mampiasa « écran » rehefa alohan’ny hatory mba hitandrovana ny kalitaon’ny torimaso ;
-Ferana hatrany ny faharetan’ny fotoana fijerena na fampiasana « écran », indrindra eo amin’ny ankizy latsaky ny 9 taona. Izany dia mba hisorohana ny fiankinan-doha mety aterak’ireo fitaovana teknolojika ireo.