• Cours de change
  • 5195.22 AR
  • |
  • $4446.53 AR
Copyright Image : © Geo
Image
Fahalalana Ankapobeny

« Bambou » na volotsangana : maro ny fomba azo hitrandrahana azy

18/09/2025 11:58 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 18 septambra ny andro maneran-tany ho an’ny « bambou » na volosanga. Vokatra betsaka eto Madagasikara ity zavamaniry ity ary maro ny karazany misy eto amintsika. Tsikaritra fa mbola tsy ampy ny fitrandrahana azy io eto amintsika na dia efa misy ihany aza ireo orinasa madinika mampiasa azy amin’ny fanaovana fanaka sy asa tanana samihafa. Andeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’ireo fomba azo hitrandrahana ny « bambou » izay efa ampiharina any ivelany.

« Bambou » : ampiasaina amin’ny fanorenana trano sy fanaovana fanaka

Isan’ny toetra mampihavaka sy manintona amin’ny « bambou » ny hamafiny. Maivana kokoa izy io raha oharina amin’ny vy nefa dia manana « résistance à la traction » mihoatra noho ity farany. Noho izany dia isan’ireo « matériaux » azo ampiasaina tsara amin’ny fanorenana ireo « structures » amin’ny tao-trano izy io. Any ivelany moa efa maro no mitrandraka ity zavamaniry ity amin’ny fanorenana trano, tetezana, « gratte-ciel écologiques »… Ankoatra izay dia maro no mampiasa ny « bambou » amin’ny fanaovana fanaka. Mafy, tsara endrika, mahazaka hamandoana sy maharitra moa izy ity rehefa hay tsara ny mitrandraka azy amin’ny fanamboarana fanaka.

Azo trandrahana eo amin’ny sehatry ny « textile » sy ny lamaody

Azo ampiasaina eo amin’ny sehatry ny « textile » sy ny lamaody ihany koa ny « bambou » na dia mbola maro aza ireo tsy mahafantatra izany. Efa manomboka mahazo laza izany any ivelany. Ny « fibre de bambou » dia malefaka sy « soyeuse » ka azo hanamboarana fitafy. Ny lamba azo avy amin’ny « fibre de bambou » dia « hypoallergéniques » ary manana fiasa « thermorégulatrices ». Izany hoe rehefa manao akanjo vita amin’ity akora ity dia mangatsitsiaka rehefa mafana ny andro ary mahatsapa mafana rehefa ririnina. No ity lamba ity « absorbants » moa dia mety tsara izy hanamboarana « vêtements de sport » sy « sous-vêtements ».

Ampiasana amin’ny sakafo

Fihinana ny « pousses de bambou » amin’ny kolontsaina Aziatika maro. Marihana moa fa any Azia no tena maniry betsaka ity zavamaniry ity. Manankarena fibra, vitamina sy mineraly ny « pousses de bambou » ary tsy be kaloria sy « matières grasses ». Maro moa ny fomba azo hikarakarana azy io atao sakafo. Azo endasina atao saosy, atao rony, atao salady… Azo ampidirina tsara anatin’ny fampiharana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Mila tandremana tsara kosa ny fihinanana « pousses de bambou ». Tsy maintsy ampangotrahana izy io vao hampiasaina hikarakarana sakafo satria misy singa « toxique » ao anatiny ka mety hankarary na hahafaty raha hoanina manta. Tsy ny « bambous » rehetra ihany koa no fihinanana fa misy karazany manokana.

Lire la suite

Articles Similaires