• Cours de change
  • 5165.34 AR
  • |
  • $4455.25 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Sosona ôzônina : Efa mihalevona ireo lavaka, noho ny fiaraha-mientana maneran-tany

16/09/2025 12:29 © Moov.Mg

« Mihasitrana ny sosona ôzônina ». Io no isan’ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Guterres, tao anatin’ny fanambarana navoakany ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona ôzônina izay ankalazaina androany 16 septambra 2025. Efa tsapa izany fivoarana izany eto Madagasikara, hoy kosa ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina.

« Miainga amin’ny siansa ary mipaka amin’ny asa maneran-tany », no lohahevitra nosafidiana hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona ôzônina taona 2025. Notsindriana manokana ny maha-zava-dehibe ny fiarahan’ny rehetra miasa, tamin’ity taona ity, satria izany no antoka hahazoana vokatra tsara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Isan’ny nasongadin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny asan’ireo siantifika. « Izao fivoarana azo izao dia mampahatsiahy antsika fa rehefa mandray ireo fampitandreman’ny siansa ny firenena dia misy ny vokatra tsara azo », hoy izy.

Entona manimba ny sosona ôzônina

Raha tsiahivina tokoa mantsy, tany amin’ny taona 1970 tany ho any dia niteraka lavaka maro tamin’ny sosona ôzônina ny fampiasana ny entona antsoina hoe : « chlorofluorocarbone » (CFC), izay tena nampiasaina betsaka tamin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny vata fampangatsiahana, « climatiseur » … Notsiahivin’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa ny sosona ôzônina no manivana ny taratra ratsy ateraky ny masoandro, toy ny UVA sy UVB. Rehefa simba izany sosona ôzônina izany dia mahatonga karazan’aretina amin’ny olombelona, toy ny areti-maso, fahajambana, homamiadan’ny hoditra… Mety hitarika fihenan’ny hery fiarovana sy fahamombana ihany koa. Eo amin’ny lafiny tontolo iainana indray, hoy hatrany ny minisitra, miteraka fikorontanan’ny toetry ny andro ny fahasimban’ny sosona ôzônina, mamono ny biby madinika sy ny zava-maniry, na tsy lavorary ny fitombon’izany zava-maniry izany.

Mihamihena ny haben’ireo lavaka

Mahavelom-bolo kosa ny zava-misy maneran-tany ankehitriny, satria dia mihamihena ny haben’ireo lavaka amin’ny sosona ôzônina ary tokony tsy hisy itsony mihitsy izany, afaka taona vitsivitsy. Nanamafy ny OMM, izay rantsa-mangaikan’ny firenena Mikambana misahana ny toetry ny andro, fa kely, raha mitaha amin’ireo taona maro lasa nifandimby, ny haben’ilay lavaka amin’ny sosona ôzônina izay goavana indrindra, eo ambonin’ny Antarktika.

I Madagasikara manokana dia efa manaraka ireo toromarika iraisam-pirenena, eo amin’ireo sehatra rehetra mampiasa ireo fitaovana mampiasa entona mpanimba, raha ny nambaran’ny minisitra Fontaine Max Andonirina. Mifanome tanana, hoy izy, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, ny Fadin-tseranana malagasy ary ny orinasa Gasinet, amin’ny fanivanana ireo fitovana mbola mampiasa entona mpanimba. Maro ireo ezaka notanterahina, araka ny notanisain’ny minisitra, toy ny fanofanana nomena ireo teknisianina mpikirakira vata fampangatsiahana, izay mivondrona ao anatin’ny ny union des frigoristes de Madagascar ; ny fanakanana ireo akora voarara tsy hiditra eto amintsika ; sy ny fanakanana ireo fanafarana tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires