Faha-66 Taonan’ny Fahaleovantena : Maherin’ny 3.800 isa ireo nandray anjara tamin’ny matso
Matso lehibe, notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, no nentina nanamarihana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena sady niforonan’ny Foloalindahy Malagasy, androany 26 jona 2026 maraina, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Nampiavaka ity fankalazana androany ity ny fampirantiana ireo fiarabe, fanomezana avy amin’ny firenena rosianina sy ny fanomezan-danja bebe kokoa ireo andriambavilanitra.
« Fanavaozana ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara » no lohahevitra voizina amin’ity fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ity. Raha tsiahivina dia firenena afrikanina manodidina ny 20 isa no samy nahazo indray ny fahaleovantenany tamin’ny taona 1960, niarakaraka tamin’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany.
Lanonana naneho ny fiandrianam-pirenena
Isan’ny endrika iray fanehoana ny fiandrianam-pirenena ny matso tanterahin’ny Foloalindahy, tahaka ny androany. Manodidina ny 3.800 isa izy ireo, avy amin’ny Tafika Malagasy, Zandarimariam-pirenena sy Polisim-pirenena, no nanatanteraka izany matso izany, teny amin’ny Kianjan’i Mahamasina. Tao Imahamasina rahateo no toerana nanambaran'ny Filoham-pirenena malagasy voalohany, Philibert Tsiranana, ny fiverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny fijoroan'ny Repoblika Voalohany, tamin'ny 26 jona 1960. Ny 2 000 tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny matso no nandeha an-tongotra, 308 ireo nandeha fitaterana misy maotera (troupe motorisée) ary manodidina ny 50 isa ireo nanatanteraka sidina, tamin’ny alalan’ny « défilé aérien ».
Ny Mpitsoka Mozikan'ny zandarimaria eny Fort Duchesne no nanokatra ny matso sy nanafana izany. Anjara asan’izy ireo rahateo ny fanafanana ny lanonam-panjakana, indrindra eo anivon'ny zandarimaria. Miisa 82 mianadahy izy ireo no mandrafitra izany, ka ny 11 no vehivavy. Nitarika sy nibaiko (Commandant d'ensemble) ny Foloalindahy Malagasy, nandritra ity matso lehibe ity kosa ny général de division Rakotoarimanana Heritiana Daniel, izay lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety sady zokiolona amin'ny grady ambony indrindra, amin'ireo izay mitazona fibaikoana.
Copyright Image : © Moov
Nitombo isa ireo vehivavy ao anatin’ny Foloalindahy
Fa isan’ny nomena lanja manokana ny vehivavy ao anatin’ny Foloalindahy malagasy, nandritra ny lanonana notontosaina androany. Tsikaritra fa nitombo isa izy ireo, raha oharina amin’ireo taona teo aloha. Isan’ny nisongadina ireo vehivavy miofana ho Manamboninahitra Lefitra voalohany eo anivon'ny ENSOA (École Nationale des Sous-Officiers de l'Armée) Antsirabe, andiany faha-4 (ESOS 4), izay vao naseho teo ambany faneva ary hanatevin-daharana ny Tafika Malagasy. Misy 36 vavy izy ireo.
Fa androany ihany koa no nandray anjara voalohany tamin’ny matso fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy, ireo vehivavy mpitondra môtô avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Andiany voalohany tamin’ireo nahazo fiofanana manokana tamin’izany asan’ny « motard » izany izy ireo. Andrikitra isan’ny sahanin’ireo polisy vehivavy mpitondra môtô ireto ny fisavana lalana ireo filohan’ny Andrimpanjakana.
Copyright Image : © Moov
Fitaovana raitra sy maoderina
Isan’ireo nahavariana ireo tonga nanatrika ny matso lehibe androany, ny fampirantiana ireo fiara lehibe ampiasaina eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy, ka isan’izany ireo santionana fiara mifono vy, sy ireo fiara vaventy ampisain’ny jenia miaramila, izay vokatry ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena rosianina. Isan’ny mampiasa izany ihany koa ireo miaramila avy amin’ny « Bataillon d'appui-feu » (BAF), izay miaro ny habakabak’i Madagasikara sy ny sisin-tany, amin’ny alalan’ny tafondro sy ny basimarovava. Ankoatra izay, dia naseho ihany koa ny fiaramanidina LET 410, izay fiaramanidina vaovaon'ny Tafika Malagasy ; ny angidimby Airbus H130 an’ny Tafika an’habakabaka, izay nitondra ny sainam-pirenena malagasy nihofahofa teny amin’ny lanitr’Antananarivo ; ary koa ireo « drones », izay fitaovana ara-teknôlôjika vaovao, efa tsy azo ialana intsony ankehitriny.
Etsy an-daniny, misy ireo biby miasa ho an’ny fiarovana an’i Madagasikara, toa ireo soavalin’ny zandarimariam-pirenena, izay eny Bevalala no ikarakarana azy ireo. Teo koa ireo alika avy eny amin’ny Centre de Reproduction, de Formation et de Dressage Canin (CRFDC) eny Ivato. Miisa 16 izy ireo ankehitriny, ka ny 2 amin’ireo no vavy. Misy karazany ihany koa ny asan’izy ireo, dia ny « pisteur », sy ny mpitsirika zava-mahadomelina (détecteur de drogue). Ankoatra izay, manana « Brigade Canine » ihany koa ny fadintseranana malagasy, izay ahitana alika 18 isa ankehitriny.
Copyright Image : © Moov
Fanomezany-danja ny maha-malagasy
Marihina fa tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy nisy ny fandraisan’anjaran’ireo tafika vahiny tamin’ny matso ho fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy niforonan’ny Foloalindahy Malagasy. Antony lehibe nandraisana izany fanapahan-kevitra izany ny fanandratana tanteraka ny maha-malagasy. Noho izany, maro tamin’ireo olo-manan-kaja, mpikamban’ny governemanta sy vahiny nasaina isan-tsokajiny, izay tonga nanotrona ity lanonana teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ity, no nanao fitafy malagasy, araka ny fanentanana efa natao ombieny ombieny.
Nisy kosa anefa ny fanotronan’ireo filoham-panjakana afrikanina sasany izay nahazo fanasana, ka isan’ny tonga nanatrika ity lanonan-dehibe ity ny Filohan'ny Vondron'i Kaomoro, Azali Assoumani, ny Filohan'ny Repoblikan'i Kenya, William Samoei Ruto, ary ny Filoha Lefitry ny Governemanta Gaboney, Hermann Immongault.
Copyright Image : © Moov




