Ankizy misy hao : ireo fikarakarana tokony atao
Maro sahady izao ny ray aman-dreny miferotr’aina amin’izao fidirana mianatra izao satria hifamindra hao indray ny ankizy any am-pianarana. Vao tsikaritra fa misy hao ny zanaka dia mila karakaraina malaky mba hanesorana izany sy hisorohana azy tsy hirongatra be loatra. Araho ary ireo torohevitra manampy hikarakarana ny volon’ny ankizy misy hao.
Mampiasa « produit anti-poux » hikarakarana ny volon’ny ankizy misy hao
Ny fomba voalohany hikarakarana ny volon’ny ankizy misy hao dia ny fampiasana « produit anti-poux » na vokatra manokana miady amin’ny hao. Any amin’ny farmasia no azo antoka indrindra hividianana azy ireny. Misy karazany maro ireo vokatra ireo :
-Ny vokatra misy « insecticides » izay mamono ireo hao. Rehefa ela ny ela nefa dia mety tsy handaitra amin’ireo hao intsony ireo vokatra ireo (résistance) ;
-Ny vokatra misy « silicone » izay manempotra ny hao sy ny atodin-kao izay mandaitra kokoa satria mandaitra foana amin’ireo bibikely ireo.
Mila arahana tsara ny fomba fampiasana ireo « produits anti-poux » ireo ary hajaina tsara ny fotoana handomana ny volon’ny ankizy amin’izy ireny sy ny fanosorana azy. Mety mila averina atao indray mandeha afaka herinandro vao mahazo vokatra tsara.
Esorina ny hao
Ankoatra ny fampiasana « produit anti-poux » dia azo atao ihany koa ny manala ny hao sy ny atodin-kao mba hamongorana azy ireny amin’ny volon’ny ankizy. Maro ny fomba azo hanatanterahana izany :
-Esorina tsirairay amin’ny tanana. Izany hoe savaina mihintsy ny volo ary esorina tsirairay ireo hao sy atodin-kao. Mandaitra amin’ny ampahany ihany ity fomba iray ity satria sady mandany fotoana no mety tsy ho afaka avokoa ireo bibikely ka mety mbola hanatody sy ho foy indray ;
-Mampiasa « peigne à poux » na fihogo manokana fanesorana hao sy atodin-kao. Mifanety kely ny nifin’ity fihogo ity ka manaraka ho azy ireo bibikely ireo rehefa bangoina amin’izy io ny volo. Tsara kokoa raha avy manasa loha no mampiasa azy. Asiana menaka oliva na diloilo ilay volo mando izay vao bangoina amin’ity fihogo ity.
Fisorohana tsara atao
Matetika moa dia miverimberina foana ny hao eo amin’ny ankizy kely satria mifamindra amin’ny mpiara-mianatra izy ireny. Misy ihany nefa ireo fisorohana azo atao mba tsy hampirongatra ny hao :
-Sasana matetika sy amin’ny rano mafana (60°C) ny fitaovana lamba fampiasan’ny zanaka misy hao. Anisan’izany ny lambam-pandriana, fonon’ondana, lamba firakotra, servieta, akanjo…
-Tsy mifamdimby fihogo, borosim-bolo, serviata, satroka bà… amin’ny ankizy misy ao ny mpiray trano mba tsy hampiparitaka izany ;
-Savaina matetika ny volon’ny zanaka misy hao rehefa avy nesorina hao sao mbola misy tavela na koa miverina mirongatra izany.