Menaka karaoty : manampy amin’ny fikolokoloana ny hoditra sy ny volo
Akora natoraly manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny hoditra sy ny volo ny menaka karaoty. Vokatra natoraly azo avy amin’ny fandomana karaoty anaty menaka zavamiry moa izy ity ary efa nentina teto ihany ny fomba fanamboarana azy ao an-trano. Andeha ary ho fantarina ny vokatsoa entin’ny menaka karaoty eo amin’ny hoditra sy ny volo ary ny fomba fampiasana azy io.
Ireo vokatsoa entin’ny menaka karaoty eo amin’ny hoditra
Ny menaka karaoty dia manankarena « antioxydants ». Noho izany dia miady amin’ny « radicaux libres » izy io ary misoroka ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra. Mandray anjara amin’ny fihavaozan’ny sela amin’ny hoditra vokatry ny mony na ny « psoriasis » ihany koa izy io. Eo amin’ny hoditra, indrindra ny hodi-tava, dia manome « teint lumineux » ity vokatra natoraly ity.
Azo ampiasaina atao « soin du jour » ny menaka karaoty. Izany hoe rehefa avy nanadio tarehy maraina iny dia hosorana azy io ny hodi-tava mba hitazomana ny « élasticité » ny hoditra. Mety ho an’ny hoditra makiana sy ny hoditra « mixte » ity vokatra ity. Tandremana kosa mba tsy atao be mihosotra loatra manjary manentsina ny mason-koditra indray. Marihana fa tsy mahasolo ny « crème solaire » izy ity.
Ireo vokatsoa ho an’ny volo
Ny menaka karaoty dia manome sakafo sy manarina ny volo simba noho izy mitahiry « antioxydants » sy vitamina izay mitondra « hydratation ». Mampangirana ary miaro ny volo amin’ireo « agressions extérieures » ihany ko aizy io ary. Ankoatra izay dia mandrisika ny fanirin’ny volo, manamafy azy ary miaro azy tsy ho vakivavy.
Raha manana karazam-bolo makiana, tapatapaka na matevina loatra dia afaka mampiasa menaka karaoty hikarakarana azy amin’ny andavanandro. Hosorana eo amin’ny volo ny menaka karaoty ary fonosina anaty servieta mafana mandritra ny 15 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano matimaty. Azo atao ihany koa ny mampiasa ity vokatra ity atao « bain d’huile ». Izany hoe ahosotra eo amin’ny volo, indrindra ny tahony, ary avela hilona ora vitsivitsy avy eo sasana toy ny mahazatra ny volo. Mila atao matetika ity fikarakarana ity mba hahitana vokatra tsara.