Hodi-tava : ireo anton-javatra mampipoitra aloha loatra ny « rides »
Ny « rides » na ireo kentrona amin’ny tarehy dia mipoitra miaraka amin’ny firosoan’ny taona. Misy ihany koa nefa ireo anton-javatra maro samihafa mety mandrisika ny fipoitran’izy ireny aloha be na manafaingana ny fihombony. Andeha ary ho fantarina eto ireo anton-javatra mandrisika ny fipoitran’ny « rides » sy ny atao hamerana izany.
« Rides » : avy amin’ny fahanteran’ny hoditra
Toe-javatra tsy azo sakanana ny fahanteran’ny hoditra. Avy amin’ny fihenana tsikelikely ny famokarana « collagène », « élastine » sy « acide hyaluronique » miaraka amin’ny fikorontanan’ny fihavaozan’ny sela sy ny fikorian’ny rà anatin’ny hoditra izy io. Noho izany dia rehefa manomboka mahazo taona ny olona iray no manomboka mipoitra sy mirongatra ny kentrona amin’ny tarehy na ny « rides ».
Marihana nefa fa misy ihany koa ireo anton-javatra hafa, tsy misy ifandraisany amin’ny taona, mety manafaingana io fahanteran’ny hoditra io ka mampiforona aloha kokoa ny « rides ». Anisan’izany ny fitaniana andro matetika, ny loto entin’ny rivotra, ny fifohana sigara, ny rarintsaina na koa ny tsy fahampiana otrikaina sasany. Mety mandrisika ny fisian’ny « rides » ihany koa ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana.
Ahoana no atao hamerana ny fipoitran’ny « rides » aloha loatra ?
Ny fomba voalohany hisorohana sy hamerana ny fipoitran’ny « rides » aloha loatra dia ny fanamboarana ny fomba fiaina amin’ny ankapobeny. Atomboka amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro izany.
Etsy andaniny, fadiana ny mitaninandro ela loatra. Raha mila mijanona amin’ny masoandro dia manao « crème solaire » sy manao satroka hiarovana amin’ny hainandro. Ajanona ihany koa ny fifohana sigara ary miezaka manamboatra saina hiadiana amin’ny rarintsaina. Tena ilaina ihany koa ny fatoriana tsara, tsy tokony ho latsaky ny adiny 8 ora isan-kalina mba hisorohana ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra.