• Cours de change
  • 5169.6 AR
  • |
  • $4456.32 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Santé
Image
Fahalalana Ankapobeny

Hatsembohana : ireo antony mahatonga azy ho ratsy fofona

09/09/2025 14:02 © Moov.Mg

Manahirana sy manelingelina tokoa ny hatsembohana. Mety manamando ny akanjo izy io, hampisy tasy ny ao ambany helika ary koa hampisy fofona ratsy, indrindra ao amin’ny helika sy ny tongotra. Fa aiza tokoa ary ny fofona ratsy entin’ny hatsembohana ? Inona no atao hamerana na hiadiana amin’izany ?

Inona no anjara asan’ny hatsembohana eo amin’ny vatana ?

Ny « glandes sudoripares » no taova mamokatra ny hatsembohana. Io hatsembohana io dia mandray anjara amin’ny fanesorana ireo loto sy ny « toxine » ao anatin’ny vatana ary mandrindra ny hafanan’ny vatana ho 37°C. Amin’ny ankapobeny dia mamoaka hatsembohana eo amin’ny iray litatra isan’andro ny vatana. Mivoaka avy eo amin’ny mason-koditra lasa entona izy ireo. Rehefa be dia be ilay hatsembohana mivoaka no miangona lasa rano hitantsika ireny.
Ao amin’ny tongotra, tanana, faritra manodidina ny taovam-pananahana, helika sy handrina no tena mivoaka izy ireo. Ankoatra ny hafanana sy ny fampiasana vatana dia mampivoaka betsaka ny hatsembohana ihany koa ny fihetseham-po mafy, toy ny tebiteby, ny rarintsaina… satria mifandray mivantana amin’ny « système nerveux » ireo « glandes » mamokatra azy io.

Inona no mahatonga ny hatsembohana hamoaka fofona ratsy ?

Ny hatsembohana vokarin’ny « glandes sudoripares » dia tsy misy fofona. Ny famotehan’ireo bakteria eo amin’ny hoditra azy io no mampisy fofona ratsy azy. Ireo bakteria ireo dia mivelona amin’ireo singa anatin’ny hatsembohana avoakan’ny « glandes apocrines », ao amin’ny helika, faritra manodidina ny taovam-pananahana…, izay manankarena « corps gras » ka mahatonga fofona ratsy. Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety maharatsy fofona ny hatsembohana, toy ny :
-Fihinanana sakafo mahery fofona : tongolo, tongolo gasy, sakafo be proteina ;
-Fanaovana akanjo « synthétique » izay mitazona ny hatsembohana sy mandrisika ny fihombon’ny bakteria ;
-Fikorontanan’ny hormonina, indrindra mandritra ny adolantsento, fitondrana vohoka na « ménopause » ;
-Fihinanana fanafody sasany izay mety mampitombo ny famokarana hatsembohana sy manova ny fofon’ireto farany.

Ahoana no atao hamerana sy hiadiana amin’ny fofon’ny hatsembohana ?

Mba hamerana sy hiadiana amin’ny fofona ratsin’ny hatsembohana dia :
-Mandro isan’andro ary indrindra rehefa avy mampiasa vatana mafy ;
-Mampiasa « déodorant » na akora natoraly toy ny voasary makirana na alamo mba hisorohana ny fofona ratsy ao amin’ny helika ;
-Tsy manao akanjo « synthétique », indrindra raha sarotin-katsembohana ;
-Tsy manao kiraro tery loatra ary misolo kiraro matetika.

Lire la suite

Articles Similaires