Angadrano : ireo antony mampirongatra azy sy ny vahaolana amin’izany
Manelingelina sy mangidihidy ny angadrano. Mety mahamenatra mihintsy ary rehefa tena be loatra izy ireny. Mba hiadiana amin’izy ireny dia mila fantatra aloha ireo antony mahatonga sy mampirongatra azy. Araho eto ary ireo antony mety mahabe angadrano sy ny vahaolana azo atao manoloana izany.
Ireo antony mety mampirongatra ny angadrano
Mihavao isaky ny 21 andro ny hodi-doha. Eo amin’ny olona sasany nefa dia malaky be io fihavaozana io ka mety ho isaky ny 5 na 7 andro ihany. Lasa sarotra miala arak’izany ireo sela maty eo amin’ny hodi-doha ka mamorona « résidus » fotsy na ny angadrano. Maro moa ireo antony mety mahatonga io fihavaozana haingana loatra io ka rehefa tena mafy loatra izany dia izay no atao hoe « pityriasis ». Ity farany dia « micro-organisme », mitovitovy amin’ny « champignon », izay manakorontana ny fihavaozan’ny hodi-doha.
Anisan’ireo anton-javatra mety mampirongatra ny angadrano ny : fampiasana be loatra ireo fitaovana mamoaka hafanana eo amin’ny volo (lisseur, brushing), ny fanaovana satroka na ny famatorana ny volo mafy loatra, ny fanosorana menaka be loatra amin’ny volo, ny fiakaran’ny rarin-tsaina na koa rehefa marary.
Inona ny vahaolana hiadiana amin’ny angadrano ?
Mba hiadiana amin’ny angadrano sy hisorohana ny fisian’izy ireny dia ilaina aloha voalohany indrindra ny manamboatra ny fomba fiaina. Atomboka amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ny fahampian’ny torimaso izany. Ankoatra izay dia mila diovina tsara matetika ny borosy sy ny fihogo fibangoana volo mba hisorohana ny fiangonan’ny angadrano eo amin’izy ireny sy ny hamindrany amin’ny volo.
Mikasika ny fikarakarana atao dia ireo vokatra fikarakarana volo vita amin’ny zavamaniry, toy ny « thym », « romarin »… no tsara hampiasaina amin’ny andavanandro. Izy ireo dia manana fiasa « anti-germes » izay manampy amin’ny fiadiana amin’ny « pityriasis ». Ary farany, mety manampy ihany koa ny fanosorana « thym » notenehana tao anaty rano mangotraka eo amin’ny volo. Avela hilona 5 minitra dia kobanina.