Miandrivazo : Notokanana ny lalana Ampanjaka Toera, nandritra ny fandalovan’ny kabeso
Efa tonga any Menabe, Faritra niaviany, ireo kabeso Sakalava miisa telo, rehefa avy nandrasana sy nomem-boninahitra tao Antsirabe, omaly alina. Ho avy any an-toerana, hanotrona ny fanolorana ireo kabeso ireo amin’ny taranany ny filoha Andry Rajoelina, ny zoma ho avy izao.
Tsangambato fahatsiarovana
Taorian’ny lanonana notontosaina teny amin’ny fasan'ny mahery fo eny Avaratr'Ambohitsaina, omaly maraina, dia nihazo avy hatrany ny lalam-pirenena faha-7 ny kabeson’ny ampanjaka Toera sy ireo miaramila roa lahy mpitari-tafiny. Tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra izy ireo no nandrasana, omaly alina, ary nialohavana lanonana ara-miaramila izany, mba ho fanomezam-boninahitra azy ireo. Androany 3 septambra 2025 maraina no niala tao Antsirabe ireo fianakaviana, ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny sy ireo mpanotrona rehetra, niaraka tamin’ireo kabeso Sakalava, nanohy ny dia izay hifarana any Belo amoron’i Tsiribihina.
Nigadona tao Ambatankazo, izay vavahady hidirana ny Faritra Menabe, ireo kabeso, androany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Notsenain’ireo vahoaka sy mpitondra Fanjakana teo amin’ny tetezana Ambatankazo ny delegasiônina, ho fampandrosoana azy ireo hiditra ao anatin’ny Faritra sy ho fanomezam-boninahitra. Tamin’ny 12 ora katroka no tonga tao Miandrivazo ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo miaramilany. Mbola tamin’ny fomba manetriketrika hatrany no nitsenana azy ireo. Nisy ny lanonana manokana, izay nitokanana ny lalana nampitondraina ny anaran’ny Ampanjaka Toera, ao Ampanasana Miandrivazo. Napetraka ihany koa ny tsangambato lehibe, ho fanamarihana ny fandalovan’ny Kabeson’ny Ampanjaka tao an-toerana. Ny Distrikan’i Mahabo indray no handray ireo Kabeso sy ny delegasiônina manotrona, androany hariva, rehefa niala tao Miandrivazo tamin’ny telo ora latsaka folo minitra tolakandro.
Lanonana any Belo Tsiribihina
Araka ny fampahafantarana navoakany omaly, dia manao izay hampizotra tsara ireo lalana rehetra lalovan'ny kabeson'ny Ampanjaka Toera, ny Minisiteran' ny Asa Vaventy. Misy asa fanamboarana tanterahina eny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, fa nomena toromarika manokana ireo mpiasa mikatroka eny an-toerana mba hanamafy ny fanondrahana rano sy hanokatra malalaka ny lalana, mandritra ny fandalovan'ny delegasiônina. Ny any Belo indray, dia efa nohatsaraina ary mandeha tsara ny Bac Tsiribihina, ho fampitana ny olona, hoy hatrany ny nambaran’ny ministera.
Raha ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara dia ho any amin’ny Faritra Menabe ny Filoha Andry Rajoelina ny zoma 5 sy sabotsy 6 septambra 2025. Hotanterahina mandritra izany diany izany ny lanonana fanolorana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera amin’ireo taranany. Hisy ihany koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa any amin’ny Faritra Menabe.