Fizahantany : Voasafidy ho « Meilleur Site na Parcours Écotouristique » ao Toliara ny Réserve Reniala
Notolorana ny amboara ho “Meilleur Site na Parcours Écotouristique”, tamin’ny fifaninanana Atsimo Andrefana Economic Awards ny Réserve Reniala. Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Toliara ny lanonana nanolorana izany. Toeram-pizahantany mifototra amin’ny tontolo iainana ao Mangily Ifaty, izay iray amin’ireo harena voajanahary manan-danja indrindra ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, io toerana io.
Toerana harovana
Manana velarantany 45 hektara ny Réserve Reniala, izay hita eo amin’ny lalam-pirenena RN9 mivoaka avy ao Toliara mankany Morombe, any Mangily Ifaty. Io toerana io dia naorin’ny fikambanana tsy miankina sy mpiaro ny tontolo iainana tamin’ny taona 2001, ho fitehirizana ny zavamaniry sy biby tandindonin-doza ary ho toeram-pampianarana ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny natiora. “Reniala” midika hoe “renin’ny ala”, ary mifandraika amin’ny fisian’ireo hazo baobab maro izay tena mampiavaka azy. Ny fahazoana ity loka, raha ny fanazavan’ny mpitantana ny toerana dia manamafy ny fahazotoan’izy ireo hiaro sy hikarakara ireo ala ireo.
Zavamanan’aina tsy fahita raha tsy eto
Ao anatin’ny Réserve Reniala no ahitana ilay baobab malaza antsoina hoe “baobab théière”, manana savaivony mahatratra 13 metatra. Tsy izany ihany fa misy karazana baobab miisa 6 hafa ao, anisan’izany ny Adansonia rubrostipa sy Adansonia za. Misy koa zavamaniry xerophytique maherin’ny 1 000 karazana, ary mihoatra ny 65 ny karazana vorona monina ao, toy ny vangy mena, ny coua, ary ny fody maro loko, izay saika ifantohan’ny mpitsidika sy mpikaroka. Saika mandrakotra ny velaran-toerana ao, ihany koa ny alan-tsilo, izay mahasarika ireo mpizahatany, hatrany. Eo ihany koa ny gidro, sifaka sy biby madinika tsy hita afa-tsy eto Madagasikara.
Fampivoarana ny fiarahamonina
Tsy mijanona amin’ny fiarovana ny natiora ihany ny andraikitr’ity toerana ity fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ihany koa. Maherin’ny 10 000 isan-taona mantsy ireo mpizahatany mitsidika ny Réserve Reniala, ka manampy amin’ny famoronana asa sy fidiram-bola ho an’ny mponina ao an-toerana. Ao anatiny koa no misy ny “Village des Tortues”, tetikasa manokana hamonjena sy hamerina amin’ny natiora ireo sokatra tandindonin-doza. Araka izany, ny fahazoana ity loka ity dia zava-dehibe ho amin’ny mponina manodidina sy ny tontolo iainana ao an-toerana.