• Cours de change
  • 5148.12 AR
  • |
  • $4455.96 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahalalana Ankapobeny

Karibonetra : ireo mila tandremana rehefa mampiasa azy

28/08/2025 15:53 © Moov.Mg

Isan’ireo akora fampiasa amin’ny andavanandro ny karibonetra. Manampy amin’ny fanadiovana samihafa amin’ny andavanandro, amin’ny fiadiana amin’ny fofona ratsy (vatana, fitaovana…)… izy io. Tsy azo ampiasaina fahatany kosa nefa ity akora ity satria mety hisy fiantraikany ratsy izany. Araho ary ireo fitandremana mila fantatra rehefa mampiasa karibonetra.

Mamifangaro ny karibonetra « alimentaire » sy « technique »

Maro amintsika no tsy mahafantatra fa misy karazany roa ny karibonetra. Ny voalohany dia ny karibonetra « alimentaire ». Izy io matetika no vidiana eny amin’ny mpivarotra mahazatra eny. Azo ampiasaina eo amin’ny hoditra, azo hoanina (fatra kely), ampiasaina amin’ny fanadiovana sy ny zaridaina izy io. Ny faharoa kosa dia ny karibonetra « technique ». Any amin’ny mpivarotra manokana mihintsy izy io no amidy ary natokana amin’ny zaridaina sy ny fanadiovana ao an-trano. Tsy azo ampiasaina eo amin’ny hoditra ary tsy azo hoanina ity karibonetra ity.

Tsy mahazo hoanina be loatra sy matetika loatra

Maro ireo antony mety hinanana karibonetra « alimentaire » amin’ny andavanandro. Misy mampiasa amin’ny sakafo izy io, hanafotsiana ny nify, hampitoniana ny fahatsapana masin’aty… Akora manankarena « sodium » ny karibonetra ka mety miteraka vokadratsy ny fihinanana azy be loatra na matetika loatra. Anisan’ireo mety hiseho ny hoe maloiloy, mandoa, mivalana, marary andoha, mivonto ny ranjo… Eo amin’ireo tranga tena sarotra, mety mampifanintona sy mahavoan’ny « insuffisance rénale » izany. Tsy tsara hanafotsiana ny nify isan’andro ihany koa izy io fa mety manimba ny nify (émail dentaire).

Mampiaraka ny fihinanana karibonetra sy ny fitsaboana amin’ny fanafody

Maro tokoa ireo mampihatra ny fikafika natoraly mifototra amin’ny fihinanana karibonetra hampitoniana ireo olana ara-pahasalamana madinidinika amin’ny andavanandro. Mila fadiana kosa nefa ny manohy izany raha toa ka efa mihinana fanafody avy amin’ny mpitsabo. Ankoatra izay dia tsy tsara ny mampiasa azy io eo amin’ny bevohoka sy ny ankizy latsaky ny 6 taona. Tsy tokony mihinana karibonetra ihany koa ny olona be tosidrà, manao « insuffisance cardiaque » na « rénale », marary voa na aty…

Manafangaro ny karibonetra sy ny vinaigitra fotsy

Akora isan’ny be mpampiasa hanadiovana ny ao an-trano ny karibonetra sy ny vinaigitra fotsy. Fahadisoana tsy tokony atao ny manafangaro ireo akora roa ireo hanamboarana vokatra fanadiovana vita ao an-trano. Rehefa mifampikasoka tokoa mantsy izy ireo dia mifamono ny heriny. Lasa tsy manadio sy mamono fofona ratsy araka ny tokony ho izy ilay fangaro azo fa lasa mivadika ranon-tsira tsotra fotsiny. Rehefa hanadio fitaovana na zavatra ao an-trano dia misafidy na karibonetra na vinaigitra fotsy no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires