• Cours de change
  • 5143.69 AR
  • |
  • $4448.56 AR
Copyright Image : © Clinique Clemenceau
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikoloana ny tarehy : ireo fikafika natoraly mampihena ny « cernes »

25/08/2025 15:51 © Moov.Mg

Matetika rehefa reraka, tsy ampy torimaso, marary… dia lasa misy « cernes » mipoitra. Ireto farany moa dia ilay faritra matroka na toy ny milempona miseho eo ambanin’ny maso. Manaratsy endrika tokoa izy ireny ka maro ireo mandany vola mividy « produits » lafo hamafana azy ireny. Ho an’ireo te hampiasa vokatra natoraly dia ireto misy fikafika manampy mampihena na mampitony ny « cernes ».

Ovy : akora natoraly mampihena ny « cernes »

Ny ovy dia isan’ireo akora natoraly mandaitra amin’ny fampihenana sy fampitoniana ny « cernes ». Ny fampiasana azy io dia manalefaka ny endriky ireo « cernes », izany hoe lasa tsy hita be intsony ireto farany. Ny ovy tokoa mantsy dia manankarena « antioxydants », vitamines sy mineraly izay manome sakafo ny hoditra. Tsotra ny atao, kikisana ny ovy efa voavaofy. Tsihifina ny ranono ary io no ranony io no ahosotra moramora eo amin’ny faritra ambanin’ny maso mba hisitrahana ny fiasany « apaisantes » sy « anti-inflammatoires ».

Vahona, mba hanamandinana sy hanalefahana ny manodidina ny maso

Zavamaniry iray isan’ny fampiasa amin’ny fikarakarana ny hodi-tava ny vahona. Maro ireo manam-pahaizana milaza fa mandaitra amin’ny fampitoniana ny « cernes » izy io. Mitahiry « aléosine » izay singa natoraly miasa amin’ny famerana ny « pigmentation » ny vahona. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fanamandinana sy fanalefahana ny hoditra ao ambanin’ny maso izy io ka mampihena ny « inflammation ». Tsara arak’izany raha orina moramora amin’ny dintin’ny vahona eo amin’ny « cernes » mba hampisinda ireto farany tsikelikely. Afaka afangaro amin’ny ranona voasary makirana, tantely sy « eau de rose » ihany koa izy io mba hahazoana vokatra tsara kokoa.

« Huile d’amande douce », manampy ny fikorian’ny rà

Ny « huile d’amande douce » dia manampy amin’ny fikoloana ny hoditra eo ambanin’ny maso. Manome « hydratation » sy manarina ilay endrika milentika vokatry ny « cernes » izy io. Ity menaka zavamaniry ity dia manankarena vitamina E, « antioxydants » sy « magnésium ». Ireo singa ireo dia miasa amin’ny fandrisihana ny fikorian’ny rà ao amin’ny hoditra. Tsotra ny atao, orina moramora amin’ny « huile d’amande douce » eo amin’ny « cernes » mba hanatsarana ny fikorian’ny rà sy hampiverina ny endriky ny hoditra eo ambanin’ny maso.

Lire la suite

Articles Similaires