Ahoana ny hiadiana amin’ny fofona ratsy anatin’ny vata fampangatsiahana ?
Manelingelina sy tena ratsy tokoa ny fofona mitoetra anatin’ny vata fampangatsiahana. Matetika dia tsy ampy hanesorana izany fofona ratsy izany ny fanadiovana tsotra ity fitaovana ity. Ahoana ary ny atao hiadiana amin’ny fofona ratsy anatin’ny vata fampangatsiahana ? Araho ary ireo torohevitra sy fahazarana tsara ampiharina.
Sorohana ireo zavatra mety mahatonga fofona ratsy anatin’ny vata fampangatsiahana
Matetika dia ny voankazo sy legioma masaka loatra na ny sakafo tsy mifono tsara no heverina fa mahatonga ny fofona ratsy anatin’ny vata fampangatsiahana. Rehefa tena jerena tsara nefa ny anatin’ity fitaovana ity dia hita fa misy antony hafa, mahazana tsy tsikaritra, mahatonga io fofona ratsy io. Anisan’izany ny fitoerana legioma na ilay fivoahan’ny rano, izay toerana fiangonanan’ny rano, poti-kanina… Ireo faritra mandomando ireo dia mampirongatra ny bakteria izay isan’ny tena mampisy fofona ratsy. Rehefa tsy voadio ara-dalàna ireo faritra ireo dia mijanona ao ny fofona ratsy na dia efa mampiasa ireny vokatra mitroka fofona (absorbeurs d’odeurs) ireny aza.
Mampiasa vinaigitra fotsy hanadiovana lalina ny vata fampangatsiahana
Rehefa tena mamofona be ny ao anatin’ny vata fampangatsiahana dia tsy ampy hanesorana izany fofona izany intsony ny fanadiovana azy amin’ny rano sy lamba na « éponge ». Mila diovina lalina mihintsy ity fitaovana ity mba hanalana tanteraka ireo loto mamoaka fofona ratsy. Ny zavatra voalohany atao ary dia ny « dégivrage ». Pihina tanteraka ny vata fampangatsiahana mba hitsonika ny ranomandry ao anatiny. Avy eo esorina ary sasana amin’ny rano sy savony avokoa ireo singa mety miala rehetra ao anatiny. Rehefa vita izay dia hamainina amin’ny rivotra ireo singa rehetra ireo. Ny ao anatin’ny vata fampangatsiahana kosa dia diovina amin’ny rano matimaty 1l nafangaro tamin’ny vinaigitra fotsy 60ml. Ny « joints » ny varavarany dia kosehana amin’ny borosy nify nasiana vinaigitra fotsy. Sady manadio no manala ny fofona ratsy io fangaro io.
Amboarina ny fahazarana ao an-trano
Mba hisorohana ny fiverenan’ny fofona ratsy ao anatin’ny vata fampangatsiahana dia mila amboarina mihintsy ny fahazarana ao an-trano. Mila jerena isan-kerinandro ny zavatra ao anaty vata fampangatsiahana. Esorina ireo sakafo mety efa simba. Fafana haingana ireo ranon-tsakafo nitete mba tsy hiangona sy hampisy bakteria mety hamoaka fofona ratsy. Tsara raha mampiasa fitoerana misarona tsara hampirimana ny sakafo anatin’ny vata fampangatsiahana, indrindra ireo somary mahery fofona sy mety hamindra izany amin’ny sakafo hafa.